Nosy-Be faritra Diana – Olom-boafidy manao tsindry sy ramatahora amin’ny vahoaka

Nangonin’i Stefa

Velon-taraina ny vahoaka any amin’ny Fokontany Andranobe boriborintany Ambatozavavy distrikan’i Nosy Be faritra Diana, amin’ny tsindry sy ramatahora izay ataon’ny olom-boafidy amperinasa amin’izao fotoana izao (ndlr, solombavambahoaka IRD, Razafindravony Christine, fantatra amin’ny anarana hoe Tatie Chris), izay manana tany ao amin’ny Fokontany Andranobe ihany koa, ka nosakanany ny lalana fandalovana.

Tamin’ny taona 1933 no efa nanaovana lalana, natsaraina tamin’ny taona 1973, ka mpandraharaha maromaro izay manana tany manodidina ao amin’ny Fokontany Andranobe boriborintany Ambatozavavy Nosy Be, no nandinika sy nikaon-doha niaraka tamin’ny vahoaka ary mpitondra tany Nosy Be tamin’izany andro izany, ka tapaka fa atao lalana. Alohan’ilay olom-boafidy nividy an’io tany io dia efa lalana ny teo ary ireo olona tompon’ny tany nividianany dia nanolotra izany ho an’ny vahoaka sy namaky ary namome fa atao lalana mandalo anatin’ity tany ity, mba hialana amin’ny fijalian’ny vahoaka mivezivezy sy mitondra vokatra, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra ka tsy ifidianana sarangan’olona.

Nanomboka tamin’ny volana aprily 2022 dia nafody sy nasian’ilay olom-boafidy sakana io lalana io tsy azo andalovana. Manoloana izany dia nidina ifotony ireo mpikamba eo anivon’ny SIRFA (Sampana ifandraisan’ireo Ray Aman-dReny Faritany Antsiranana), izay efa miparitaka ary mitsangana isaky ny distrika ao anatin’ny Faritanin’Antsiranana, efa ara-dalàna sy ara-panjakana, ka mangataka amin’ny olom-boafidy ity, sy ireo mpitondra ary manampahefana, mba hanesorana io sakana io, fa sahirana ny mponina, satria eo no andalovan’ireo vahoaka isan’andro, indrindra ny mpianatra, sy fotoana handehanana mandevina, satria eto koa no lalana mandeha amin’ny fasan-drazana raha misy ny fandevanana.

Alohan’ny ahatongavana amin’ny tanin’ity olom-boafidy ao amin’ny Fokontany Andranobe, tombanana eo amin’ny 3 km latsaka kely dia mandalo sy mamakivaky ambon’ny tanin’olona ary tanim-bary, tsy misy olana, nefa ilay lalana tsy tiany andalovana io dia tombanana eo amin’ny 400 m latsaka kely mandalo anatin’ny taniny. Tsy ireo vahoaka ihany no mijaly amin’ity lalana ity sy azon’ny ramatahora sy tsindry avy amin’ity olom-boafidy ity, fa sahirana koa ireo mpandraharaha sasany izay mampiasa olona maro, ka mipetraka manodidina eo, nefa mba mandray anjara sy anisan’ny miasa ary mampiasa olona manambohatra ity lalana ity koa, na dia lalan-tany aza fa mila asiam-panatsarana isan-taona. Saika hiasa io lalana io izy ireo tamin’ity taona ity, fa noho ny sakana misy io dia nijanona ny asa nefa efa vita ny fifanarahana tamin’ny mpandraharaha iray izay mpanamboatra lalana ao Dzamandzar.

Hikasa hilanja sora-baventy hanidy io lalana 3 km latsaka kely izay andalovan’io olom-boafidy io ny vahoaka, fa indrindra mandalo eo ambonin’ny tanimbary hiditra amin’ny taniny dia rahonany angalana mpitandro filaminana sy ho gadraina, ka matahotra ireo vahoaka sasany, hiandry ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena Malagasy ho avy any Nosy-Be amin’ny volana Novambre ho avy io, ka hitondran’ireo vahoaka sora-baventy ho hitan’ny Filoham-pirenena Malagasy ny alahelo sy taraina ary ny mamparary azy ireo. Ankoatra ny tsindry sy ramatahora izay ataon’ity olom-boafidy amperinasa ity amin’izao fotoana any Nosy-Be amin’ireo vahoaka ao amin’ny Fokontany Andranobe boriborintany Ambatozavavy dia hitory ireo mpikambana eo anivon’ny SIRFA (Sampana ifandraisan’ireo Ray Aman-dReny Faritany Antsiranana) sy mpanao gazety izay naka sary koa ity olom-boafidy ity. Andrasana sy ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.