Faha-20 taonan’ny antoko TIM – Handrasana any Toamasina anio ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Ny tanànan’i Toamasina indray, no handray ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), amin’izao faran’ny herinandro izao. Araka ny vaovao voaray, handrasana any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana anio, ny filoha mpanorina, sady filoha nasiônalin’ny antoko, Marc Ravalomanana. Ny fanamarihana dia hatao ao amin’ny Magro Tanambao V anio Sabotsy 08 oktobra, hanomboka amin’ny 09 ora maraina.

Hisy ihany koa mandritra izany ny fampirantiana an-tsary ny tantara sy ny zava-bitan’ny antoko, indrindra ny mahakasika ny filoha mpanorina, ny filoha Marc Ravalomanana. Ny mpikarakara dia miantso ny mponin’i Toamasina ho tonga maro: ny tonga miaraka no fanombohana, ny miasa miaraka no fahombiazana, sahia, mijoroa, minoa, hoy izy ireo.

Mpikarakara izao hetsika izao ny TIM Faritany Toamasina, ny Reg-TIM Atsinanana ary ny DISTIM Toamasina I. Araka ny fantatra, nahazo alalana koa izao hetsika izao. Misy hetsika hafa an’ny mpomba ny fitondrana koa any amin’ny kianja mitafo Soavita, ka izay no heverina fa nanomezan’ny tompon’andraikitra any an-toerana alalana ny antoko TIM koa. Afa-baraka satria hita mibaribary fa mitanila izy ireo raha tsy nanome alalana ny antoko TIM teo.