Misavoritaka tsy ifankahitana intsony ny ao amin’ny fitondrana ao

Andry Tsiavalona

Tsy misy mpamaritoetra amin’ny fiteny malagasy azo amaritana ny fitondrana mitantana ity Firenena ity amin’izao fotoana izao mihitsy, satria samy manampatra fahefana sy manao izay tiany na ny fahefana mpanantanteraka na ny fahefana mpanao lalàna ary ny fahefana mpitsara dia mandray baiko fotsiny, ka tsy manana ny fahaleovantenany intsony.

Tato anatin’ny volana vitsivitsy tokoa dia hita fa mijabaka amin’ny toe-draharaha mafanafana samihafa miseho eo amin’ny sehatra rehetra ny depiote. Marihina voalohany amin’ireny ny tranga tsy fahita maneran-tany dia ny fandraisana baiko avy amin’ny mpanantanteraka momba ny fandaniana tetibolam-panjakana. Volana vitsy lasa izay dia voasava, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny valizin’ny depiote iray satria nahiana nitondra volamena nivoaka an’i Madagasikara. Tsy mazava tsara ny fiarovan-tenan’ity depiote ity, satria nakorontany ny valiziny ary iaraha-mahalala fa tsy mbola misy tohiny, toy izay nahatafiditra olona ao amin’ny fitondrana, iny tantara iny hatramin’izao.

Mitohy ihany ny tantara ka nisy depiote nandray anjara tamin’ny ady tany teny Androhibe izay nifanandrinan’ny Fiangonana Loterana sy ny mponina eny an-toerana. Nivalona tsy nisy tohiny ihany koa ity raharaha ity satria, angamba, noho ny fisian’ny kristiana ao amin’ity Fiangonana ity manampahefana ambony ao amin’ny andrimpanjakana iray. Tsy vitan’izay fa tsy azo odian-tsy ny ady saritaka tao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, etsy Ankorondrano, izay nitsabahan’ny depiote iray ihany koa. Resaka fifidianana no niandohan’ny fifandonana ary ny nahagaga dia niditra tamin’ny raharaha ny sampan-draharaham-panjakana izay raha ny marina dia manakatona ny fiangonana ihany fa tsy miandany na amin’iza na amin’iza.

Tato anatin’ny herinandro vitsy dia miakatra an-tsehatra eny amin’ny haino aman-jery ny fifandonana eo amin’ny depiote any amin’ny distrika roa any Atsimo any momba ny famonoana malagasy mianaka nataon’ny miaramila. Nampangaina ity lehilahy ity, fa nisy omby sy ondry aman’osy halatra tao aminy, kanefa raha ny marina dia zandary no tokony nisambotra ity olona ity, satria famotorana aloha no natao, nandalo fampanoavana izay namoaka didy fisamboarana sy fampidirana am-ponja vonjy maika sy fangejana ny omby sy ny ondry aman’osy. Heverina araka izany fa matoa novonoina izy mianaka ireto, tsy nisy didy famonoana (condamnation à mort) dia misy toe-javatra marina tiana hafenina. Noho ity toe-javatra ity dia miady ny samy depiote, satria ny iray miaro ny olona ao amin’ny distrika nahalany azy, izay novonoina tsy nanaraka ny sori-dàlana voafaritry amin’izany. Ny ankilany kosa dia nanadio tena nilaza fa tsy afaka manome baiko ny miaramila ny depiote. Marina izany kanefa afaka mandresy lahatra ny lehiben’ny vondron-tafika any aminy hanome baiko ny miaramila eo ambany fiadidiany nanao ny hetsika.

Samy mpikambana ao amin’ny antokony ireto depiote ireto kanefa dia porofo ity toe-draharaha ity fa tsy milamina ny ao amin’ny Antenimierampirenena ao. Vao omaly ny omaly no afa-baraka indray, ny depiote mpikambana ao amin’ny antokon’ny fitondrana, voarohirohy amin’ny trafikana hazo sarobidy tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Misy depiote nanambara ho tsy mino fa tafiditra amin’izany raharaha maloto izany ity namany. Tsara tsiahivina anefa fa tratra nitondra vola amina miliara maro tao anaty baoritra tamin’izany fotoana izany ary nisy depiote namany koa tamin’izany fotoana izany niaro azy, fa tsy azo sakanana sy tsy azo savaina ny fiaran’ny depiote. Tsy nisy tohiny moa ity raharaha vola tratra tamin’ity depiote nanome fahazoan-dàlana amin’ny fitaterana ny hazo sarobidy ity. Misy miaro indray izy amin’izao fotoana izao, ka asa raha ho very an-javony indray ny raharaha satria mizaka ny “immunité parlémentaire” moa ny depiote sady ambonin’izany dia amin’ny anaran’ny vondron’antoko IRD no nahalany azy. Tsy vitan’izany fa manana fahefana hibaiko ny Minisiteran’ny Tontolo iainana koa izany ny depiote.

Misavoritaka tsy ifankahitana intsony ny ao amin’ny fitondrana ao. Manamafy ny fitsingilahilan’izao fitondrana izao ny fitokonana eny amin’ny departemanta minisiterialy isan-tokony amin’izao fotoana izao. Iaraha-mahatsapa fa miha-lo andro aman’alina amin’izao fitondrana izao kanefa iraikambinifolo volana sisa tavela amin’ny fe-potoana itondrany, ka inoana fa tsy azo leferina intsony ny hamindrany izany fahalovana izany amin’ny mpiray Tanindrazana iray manontolo.