EDITO 8 Oktobra – Misy sokajin’olona ataon’ny fitondrana antsirambina ny momba azy

Sôh’son

Tsy afaka fitakiana ataon’ny olom-pirenena hatrany eto amin’ny firenena isan-kerinandro. Ny karazany sy ny vondron’olona manao ny fitakiana fotsiny no samihafa. Matetika izany dia lafiny karama na fivelomana, izay tena iankinan’ny ain’izy ireo sy ny ankohonany tokoa. Misy tena amam-bolana maro tsy naharay izany. Midika izany fa misy vondron’olona eto atao an-tsirambina ny momba azy.

Maneho ihany koa izany fa tsy vitany ary tsy voafehin’izao fitondrana Rajoelina izao velively ny fanaraha-maso akaiky ny fivelomam-bahoaka sy ny fiahiana azy. Mbola manaporofo izany ny zava-mitranga any Ikongo, nambaran’ny solombavambahoakany avy any andro vitsy lasa izao. Tamin’izany no nilazàny ny amin’ny fisian’ny kere any amin’ny faritra misy azy, vokatry ny nandalovan’ny rivodoza roa tany ary voalaza, misy mihitsy aza olona namoy ny ainy amin’ny hanoanana. Ny mahavariana ao anatin’ny filazan’ilay solombavambahoaka, dia izy tenany mihitsy no mandeha manatona ireo tomponandraikitra misahana ny fiahiana ny mponina amin’ny loza voajanahary mitranga sy ny vokany, toy ny Bngrc izany. Midika koa ve izany fa tsy misy ny fanaraha-maso ireo faritra sy indrindra ny mponina amin’ny tarazo navelan’ireny rivodoza ireny, ka rehefa mifarana ny vanim-potoanan’ny rivodoza dia misy ny tavela eo? Moa efa mahazatra ny mpitondra ny fisian’izany manjo ny mpiray tanindrazana izany, ka tsy miraika intsony raha tsy misy ny fitarainana sy antso amin’ny zava-misy toy izany any aminy?

Hadisoana lehibe eo amin’ny fitantanam-pirenena izany kanefa toy ny mandeha ho azy. Ny manahirana ny saina, dia mitady ho lasa any amin’ny lasin-tsaina izany, toy ny fahitana mpangataka etsy sy eroa ka tsy mahataitra intsony izay mampiharihary ny fahantrana mangeja eto amin’ny firenena; ny fisian’ny vono olona feno habibiana izay efa manjary vaovao saika isan’andro; ny asan-jiolahy sy fanendahana amin’ny fotoana sy toerana samihafa zary efa fiainana andavanandro, sns…

Izany rehetra izany, mariky ny tsy fahombiazan’izao fitondrana misy izao. Ny tsikaritra hatrany anefa, dia tsy mitsahatra izy mampiresaka vahoaka sy miseho hatrany, ho babany raha samy mpitondra nifandimby teto. Marina mety misy asa vita, fa ho an’ny mpampianatra izany, raha naotina mpianatra nanao fanadinana, dia toy ny nahazo isa 03/20 teo aloha, dia niakatra ho 3,5 na 04/20, izany hoe mpianatra tsy mahomby. Mazava ny ohatra.