AO TSIMBAZAZA NY DAHALO ?

Soa fa ’nareo samy ’nareo ihany
No mifampitoroka, mifanaratsy,
Fa raha ny olon-tsotra no manao izany,
Dia hiampy indray ‘reo izay higadra atsy ho atsy!

Tsy olona ivelany fa solombava,
No sahy manamafy fa ao Tsimbazaza,
No misy ny ngeza izay misaron-tava:
Dahalo efa fetsy sy tena kalaza!

Dia tao ihany koa no hany sahy nitsikera
Ny ataon’ireo foza sy ity ilay vazimba,
Ka tena ny endriky ny antenimiera
No niova ho matroka sy tena simba!

Koa mieritrereta ianareo ry mpitarika.
Ovay ny famindra, meteza ho modely,
F’ilay Tsimbazaza efa be nahamarika
Ho tena fonenan’ireo tontakely!

Raha toa ka dahalo no hisolo vava
Sy hoe hofidiana hitondra ny teny,
Dia aleo holazaina amim-pomba mazava,
Fa efa lany olona ny fireneny!

DADAN’i RIANA (06-10-22)