Nosy-Be – Mitohy ny fampijalian’ny fitondrana Rajoelina an’i Ninie Donia

Ny Valosoa

Mitohy hatrany amin’izao fotoana ny fampijaliana ataon’ny fitondrana Rajoelina an’i Ninie Donia, izay nogadrain’izao fitondrana izao, nolazainy fa ao anatina fikambanan-jiolahy, nefa niaro ny tanin’ireo vahoaka madinika tsy ho lasan’ny vahiny any Nosy-Be faritra Diana, ity mpanakanto sady mpanao politika ity sy ireo namany.

Famonjana tsy ara-drariny ny ataon’ny fitondrana aminy. Marary efa andro maro i Ninie, nangataka fahafahana vonjy maika na LP izy sy ireo namany miisa 13, tsy mbola nahazo izany hatramin’izao anefa, raha tokony ho nivoaka omaly ny valin’izany fangatahana LP izany dia tsy nivoaka indray izy ireo, fa araka ny vaovao voaray dia nisy ny tsindry avy any ambony. Tsy vitan’izany fa mbola nandefasana mpanao famotorana indray izy tany amin’ny Hopitaly, kanefa mbola marary tsy afaka hamaly ireo mpanadihady.

Mitohy foana arak’izany ny antsojay sy ny fampihorohoroana ary ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana ataon’ny fitondrana Rajoelina an’i Ninie Donia.