Faha-20 taonan’ny Antoko TIM – Toamasina indray no handray ny fankalazana ny sabotsy izao

Ny Valosoa

Raikitra amin’ny Sabotsy 08 Oktobra 2022 ho avy izao ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any Toamasina no hanantontosana izany, hisy fampirantiana sy fihaonan’ireo mpikambana tafiditra ao anatin’ny famelomamaso ny antoko izany.

Marihina fa i Toamasina dia manana ny lanjany eto amin’ny firenena, satria any no misy ny seranantsambo lehibe indrindra eto Madagasikara, ny Filoha Marc Ravalomanana fony mbola teo amin’ny fitondrana dia nametraka fanamby, fa i Toamasina no tokony ho renivohitra ara-toekarena eto Madagasikara, ary efa nizotra tamin’izany ny toedraharaha, saingy noho ny fandrobana fahefana nataon-dRajoelina sy ny forongony tamin’ny taona 2009 dia tsy tratra ny tanjona. Ny tena mampalahelo aza dia anisan’ireo tanàn-dehibe misedra fahasahiranana ny renivohitry ny faritra Atsinanana ankehitriny eo amin’ny fihariana, kanefa dia manana vahoaka mavitrika. Manjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fizahantany izany. Ingahy Filoha amperinasa Andry Rajoelina moa dia iny nivadi-dela iny indray nanova ny hevitry ny “Miami” izay nidedahany tamin’ny fampielezankevitra. Tena hatao toy ny Miami any Etazonia mihitsy no noresahany tamin’ny propagandy. Fa ny Antoko Tiako i Madagasikara kosa dia azo antoka, fa tsy maintsy hiezaka hihaino ny hetahetan’ny vahoakan’i Toamasina ary mbola vonona hametraka hatrany ny fanamby tsy haharesy tondromaso ny vahoakan’ny renivohitry ny Betsimisaraka mitaha amin’ireo vahoaka manerana an’i Madagasikara.