Fikitihana indray ny ao amin’ny Rova – Tezitra amin-dry Rajoelina sy ry Lalatiana ny Andriana

Niaina

Fikitikitihana sy fanarenana ny ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, tezitra amin-dry Rajoelina sy ry Lalatiana indray ny Andriana. Tamin’ny fanaovana ny Colisée no efa tezitra tamin’ny ekipan-dRajoelina, sy ny ekipan’ny ministra Lalatiana ireo taranak’Andriana eto amintsika, satria fanotana fady no nataon’ny fitondrana. Mbola fanotana fady ihany koa no misy amin’izao fotoana ao Anatirova, satria tadiavin’ny fitondrana hatao trano vato ny Tranovola, izay trano vita tamin’ny hazo manokana manana ny maha-izy azy.

Nanambara ny mpandrindra ny AAM: Antenimieran’ny Andriana Merina, Rason Rajaoson, fa tsy tompon’antoka amin’ny zavatra mety hitranga ao amin’ny Rova izy ireo. Nambarany fa: “ny tenako dia nantsoin’ny tale jeneralin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera, Razafiarison Francis na Francis Turbo, fanazavana izay zavatra efa tapaky ny fitondrana sy ny ministera no natao taminay tamin’izany. Sarotra aminay ny hanome izany tsodrano nangatahin’izy ireo izany, amin’ny fomba ahoana no hanomezana tsodrano zavatra tsy fantatrao akory ny votoantony, no tsy nisy akory fifampidinihana, eny fa na dia fanazavana aza tsy nisy. Na ny fomba natao teny amin’ny Rova aza dia tsy nisy olona fantatray akory ireo nanatrika teny, tsara noho izany ny manitsy fa tsy nisy na iray aza tato amin’ny Antenimieran’ny Andriana Merina, izay tarihin’i Profesora Ranjeva ny fanatrehana nisy teny. Ka noho izany disoinay ny filazana fa nanome tsodrano izahay ary ampahafantarinay ihany koa, fa tsy tompon’antoka amin’izay zavatra mety hitranga ao Anatirova hatrany am-piandohana, ka hatramin’izao ny eto anivon’ny Antenimieran’ny Andriana Merina na ny AAM”, hoy izy.