Tsy fanaovana fikaonandoham-pirenena – Matahotra fifidianana madio ry Rajoelina

Ny Valosoa

Ny fifidianana ihany no fomba ahazoana ny fitondrana ho an’ny tany mandala ny rafitra Repoblikana, tsy mahagaga raha samy manao izay fomba handresena amin’ny latsabato ny ankolafin-kery politika samihafa eto amin’ny firenena.

Ho an’ny mpanohitra, indrindra fa ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia takian’izy ireo hatrany ny fanaovana ny “fihaonambempirenena” hahafahana mametraka ny fitsipi-dalao mazava sy hifanarahana hahatongavana amin’ny fifidianana madio sady mangarahara tanteraka.

Ho an’ireo miandany amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao indray dia alavirin’izy ireo toy ny mandalo fasambao ny fanatanterahana ilay “fihaonambempirenenena”, satria matahotra mafy ny fahadiovan’ny fifidianana ry zareo ireo, satria efa zatra nivelona tamin’ny hoso-pifidianana.

Ny tena fositra mampahazo vahana ireo zatra halabato dia ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena izay manome vahana ny mpanitsakitsaka ny lalàna, porofo mitohoka amin’ny tendany ny tsy namerenana ny fifidianana ben’ny tanàna izay nahitana tsy fahatomombanana, izay azo lazaina ho famerezan-jo ireo vahoaka mponina any amin’ireny kaomina tsy manana ben’ny tanàna ireny, raha mandala ny rafitra repoblikana ny mpitondra dia tokony ho laharampahamehana ny famerenana ny fifidianana, saingy tsy izany ny zavamisy, fa ny lalàna momba ny taksimoto efa tsy lany indroa no atao totonondry bory, tsy maintsy laniana, dia misy tokoa ireo mpanolotsainan’ny tanàna lany henatra mandany izany.

Raha ny tokony ho izy dia mendrika saziana ireo vato misakana tsy nahafahana nanatontosana ny famerenana ireo fifidianana tokony natao, kanefa iarahamahalala ny zava-misy eto amin’ny firenena, sady iza ihany koa no sahy hitory? satria maro ireo matahotra ny hoe raha mamono biby tsy mahafaty dia mety ifoteran’ny rambony, ary raha vao raharaha manohintohina ny fitondrana dia haingampiasa ny fitsarana, fa raha fitoriana ny tsy mety ataon’ny fitondrana indray dia very anjavony.

Raha dinihina sy fakafakaina amin’ny saina tony dia efa vizana tanteraka ny fitondrana Rajoelina, tapi-dalan-kaleha ary efa mirediredy sisa sady tsy menatra akory manova ny famaritana ny “Miami” izay efa endriky ny faharesena izany. Ankoatr’izay ny hevitra afafy anapempoana ny vahoaka tsy hifidy dia ny hoe: “Rajoelina hono tsy maintsy lany”, kanefa tsy ampalaikomana ny vahoaka efa leon’ny abobo izany, fa ny masaka ao antsain’ny olompirenena sahy mijoro dia tsotra sady mazava, izany Rajoelina izany tsy ho lany intsony na hangalatra aza satria ny adala no voafitaka indroa ary ny vahoaka malagasy dia efa hendry sady kinga.