EDITO 6 Oktobra – 3 volana farany amin’ity taona ity – Ho volan-kankafotra ny zava-misy iainan’ny vahoaka

Sôh’son

Miditra amin’ny telovolana farany amin’ity taona diavina ity isika ankehitriny, ary misy aza efa manatsidika sahady ny resaka faran’ny taona. Fitadiavam-bola ho an’ny sasany mpandraharaha amin’ny fety aman-danonana, sy ny renty aman-kaingo mifandraika amin’izany. Ho an’ny sarambabem-bahoaka kosa dia ho fidirana indray amin’ny fahasahiranana sy halafosam-piainana izany. Vao tamin’ny volana nivalona lasa teo anefa no niàla tamin’ny nanahirana mafy amin’ny fampidirana any an-tsekoly an-janany ireo ray aman-dreny marobe.

Raha bangoina ny zava-nisy tao anatin’izany, dia tsy hita izay nataon’ny fitondrana ho azy ho fanamaivana ny olan’izy ireo. Miàla an’Ankatso ve izany dia Ambohidempona no miandry ny vahoaka. Vahaolana entin’ny fitondrana tsy misy antenaina eo anatrehan’izany, fa zarany aza nahatafita ny volana lasa ary miditra amin’ny vaovao manaraka toy izao indray. Ny paik’adin’ny fitondrana sisa dia hanao izay hahavery dia ny maro amin’ny fihetsiketsehana samihafa izay azony atao. Anisan’ny heveriny amin’izany ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny fisandratan’i Madagasikara, izay kasaina hatao amin’ny faramparan’ny volana izao. Fandaharanasa izay efa tara be ihany, satria efa taloha tany am-piandohan’izao fitondrana izao, no nidedahana be ery fa hoentiny hampandrosoana haingana ao anaty taona vitsy monja ny firenena. Iaraha-mahita sy miaina tsara anefa izao ny zava-misy. Midika ho tsy fahombiazana tsotra izao eo amin’ny seha-pitantanana izany. Efa fantatry ny mpanara-baovao ihany koa fa hisy indray ny fampanantenana be ambara sy fanindrahindrana amin’io fotoana io, izay efa horonan-tsarimihetsika mpiseho tato anatin’ny efa-taona latsaka amin’ny fe-potoana iasany. Ho fanarian-dia sy hisy paik’ady politika miharo famitahana ao anatin’io andro io.

Sarotra ny isian’ny fanantenana fahatsaram-piainana ho an’ny tokantrano maro miafara amin’izao telovolana farany izao eto amin’ny firenena. Ho avy indray koa ny mety ho olana hafa amin’ny manaraka raha ny nambaran’ny mpamantatra ny toetrandro vao tsy ela izay. Dia efa ao an-tsain’ny mpanara-baovao indray koa sahady ny amin’ny hoe: ailika amin’izany indray ve ny tsy fahombiazana.