RY TSY METY MBOLA HIAIKY

Ry tsy mety mbola hiaiky hoe mahantra ny vahoaka,
Moa ve pahina ny maso sa niniana notampenana?
Efa iarahana mahita f’io ’nareo tsy tafavoaka,
Ka nahoana no mikiry hiady fasana hilevenana?

Ry tsy mety mbola hiaiky f’efa izao no hoe krizy,
Moa ny saina no efa donto, donton’ny fitiavantena?
Tsy hampandroso firenena ny di-doha sy ny ambozizy,
Ka ny teninay dia tsotra: ’ndeha miala am-pahendrena!

Ry tsy mety mbola hiaiky fa hoe tsy mahay mitantana,
Tsy fanaovana andranandrana ao anaty fitondrana.
Ka ny teninay tsy miolaka fa mahitsy sy mivantana:
Aoka izay ny hoerahoera, apetraho ny fialana.

Ry tsy mety mbola hiaiky f’efa tena tsisy hafitsoka,
Aoka tsy ho be kirina ny amin-javatra tsy hay.
Ny lakilenareo tsarovy f’efa tapitra nipitsoka,
Ka ny mety, tsotra ihany, ’ndeha mipetraka amin’izay!

DADAN’i RIANA (30-09-22)