ANDRON’NY MPAMPIANATRA MPANABE

Andronao ve ry mpampianatra dia hazakazaka no omanina,
Sa dia tena tsisy hafitsoka ny minisitra mpiahy?
Ny hany andrasanay dia tsotra: ny mba hizaràna hanina,
F’efa maina ny mpampianatra na ny vavy na ny lahy!

Azo an-tsaina fa kabary tsy hahasarika mihitsy
No anasana ireo mpampianatra efa tratry ny krizy,
Ka ny avy amin’ny tsy miankina dia inoana fa ho vitsy,
Fa aleony ihany aloha manao izay hampahay ny ankizy!

Andronao ve ry mpampianatra dia hazakazaka no omanina,
Nefa ianao efa mahantra mila tsy hahajoro intsony?
Sa ny maha-ianao anao no efa tena hamaivanina,
Fa ianao dia tsisy vidiny amin’ireo mpitondra ambony?

… Nefa ireo mpitondra ve dia mety ho tonga eny amin’ny avo
Raha tsy nisy ireo mpampianatra nanome fahalalana?
Sa dia tongatonga ho azy ireo mitonona ho “favo”
Ka manao izay tiany hatao sy mampiseho ny hadalana?

DADAN’i ZINA (04-10-22)