Kaominina sasany any Androy – Tafakatra 3000 Ar ny rano amin’ny bidon 20 l, sahirana ny mponina

Aly

Sahirana ny mponina amin’izao fotoana amin’ireo kaominina sasany any amin’ny distrikan’Ambovombe faritra Androy, satria tafakatra hatramin’ny 3000 Ar ny rano amin’ny bidon 20 l any an-toerana. Tafakatra 800 Ar ny ividianan’ny vahoaka ny bidon 20 litatra ao an-tampon-tanànan’Ambovombe renivohitry ny faritra, tafasonga hatramin’ny 3000 Ar izany amin’ny toerana sasany toy ny any amin’ny kaominina Erada, Ambazoa, sy ny maro hafa any Ambovombe Androy ihany. Tsy maharaka ny filan’ny mponina intsony ny rano, ka manaitra ny Fanjakana foibe ny mponina hijery vahaolana maharitra.

Anisan’ny vahaolana ho an’ny tsy fahampian’ny rano any Atsimon’ny Nosy ny famadihana ny ranomasina ho rano mamy fisotro. Efa nisy ny andrana famadihana ny ranomasina ho rano mamy fisotro izay nataon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG Move On Androy tamin’ny volana mey lasa teo, izay natao tao amin’ny distrikan’Ambovombe, kaominina Erada. Nahitam-bokany io andrana izay natao io ary efa nanaovana Move On Androy tatitra tamin’ireo solontenam-panjakana any ifotony, sy ny fitondram-panjakana foibe. Andrasana ny tohiny, satria teny mijaly rano ny any Androy.