Filankevitry ny Zon’olombelon’ny ONU – Maro fanitsakitsahana zon’olombelona eto Madagasikara hoy ny CETIM

Nangonin’Isambilo

Manatanteraka ny fivoriambe faha-51 amin’izao fotoana ny Filankevitry ny Zon’olombelona ao amin’ny Firenena Mikambana, na ny Conseil des droits de l’homme ao amin’ny ONU, izany dia efa nanomboka ny 12 septembra lasa teo, ka tsy hifarana raha tsy ny 7 oktobra 2022 ho avy izao. Nandritra izany ny 23 septambra teo, no nanaovan’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana iraisam-pirenena CETIM na Centre Europe – Tiers Monde, tatitra tao anivon’ity Filankevitra momba ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU ity. Navoitran’ny CETIM tamin’izany, fa misy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto Madagasikara, indrindra amin’ny faritra ambanivohitra.

Ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 17 martsa 2009, izay filoha amin’izao fotoana dia miteraka krizy ara-pitondrana miverimberina, mihemotra ny demôkrasia aty Madagasikara, tsy tan-dalàna ny fitondrany. Tsy mitsaha-mitotongana ny fanajana ny zo maha-olona: noho ny fisian’ny kolikoly, fanodinkodinana ny volam-panjakana sy ny harena voajanahary, ny fitazonana olona any am-ponja tsy ara-drariny, fanondranana olona antsokosoko, famonoana olona tsy mandalo fitsarana, fanitsakitsahana ny zon’ny tantsaha sy fakana tanin’olona. Ireo dia miteraka ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona aty Madagasikara. Ny zava-misy anefa hoy ity tatitra ity, tsy tena avela hanao ny asany ny CNIDH, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Zon’olombelona eto Madagasikara, noho ny fahatahoran’ny governemanta Malagasy azy ireo sy ny asa sahaniny.

Taratry ny tsy fandriampahalemana miseho lany eto Madagasikara ny fisian’ny fitsaram-bahoaka efa namoizana ain’olona an’arivony hatramin’ny taona 2012. Tantsaha tsy meloka no lazaina fa dahalo, tamin’ny toerana mamokatra sy misy harena an-kibon’ny tany, misy tamin’izy ireny no najedaky ny mpitandro filaminana. Mpanam-bola Malagasy, na vahiny, na orinasa vahiny no ambadik’ireny famonoana tantsaha ireny. Volana vitsivitsy izao, miseho lany ihany koa ny fakana an-keriny tantsaha amin’ny faritra mamokatra toy ny any Alaotra-Mangoro, Menabe, ary Anjozorobe. Miaro ny taniny efa ho an-taonany maro ny mponina any Mampikony sy Port-Bergé, manoloana ny orinasa iraisam-pirenena Cotona Real Estate (Groupe Socota), izay maka an-keriny ny tanin’izy ireo. Noho ny fiarovana ny taniny izay, tantsaha miisa 39 no nogadraina, olona an’arivony no nandositra any an’ala matahotra ho voasambotra koa. Misy ihany koa ny fanakanana ny fahafahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara hoy ny CETIM, misy ireo tazoniny tsy ara-drariny noho ny fanehoan-kevitra nataony.

Noho ireo antony ireo, miantso ny Filankevitry ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU ny CETIM, hanao fanadihadiana sy famotorana lalina aty Madagasikara momba ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona izay, sy ny fiarovana ny zon’ ny olom-pirenena..