EDITO 4 Oktobra – Miparitaka indray ny fanamiana mpitandro filaminana

Beharo

Miparitaka be indray ny fanamiana mpitandro filaminana amin’izao fotoana.

Tato ho ato dia lasa resaka malaza ny vono olona etsy sy eroa, ka nampalaza ny basy tena izy sy ny sandoka. Tsorina anefa fa na ny fanamiana fotsiny ihany aza dia efa ampy hanaovana asa ratsy, tsy hita intsony izay anavahana ny mpanenjika sy ny olon-dratsy ohatra.

Eo ihany koa ny tsy fahafantaran’ny maro ny anjara asan’ireo zandary, miaramila, pôlisy, miampy ireo eny Anosy, izay tsy manao fitafiana nefa pôlisy ihany koa, toy ny ao amin’ny B.C, ny P.J, ny ao amin’ny ady amin’ny Stupefiant, sns… Tokony hisy araka izany fampahafantarana an-tserasera ny asan’izy ireo, ireo izay andraikitra raisiny rehefa misy sakoroka, halatra, sinto-mahery, fakana an-keriny, sns… mba hanavahana sy hanomezana alalana azy ireny raha misy zava-mitranga.

Nisy koa tafika manao fanamiana hita teny Atsimondrano teny omaly, manodidina an’Itaosy sy Ambohidrapeto iny, tazana tamin’ny fahita lavitra iray, nanao matso tao anaty lanonambe.

Fitafiana mpitandro filaminana sy beret mena, maintso, ary kepi an’ny zandary ireny no nanaovan’izy ireo, ka nahatonga ny maro hametra-panontaniana hoe: tena tafika ve izy ireny, nivoaka tamin’ny toby avy aiza? nefa rehefa misy tranga mafana toa tsy hita akory, moa ve mbola eken’ny lalàna ny fanaovana ireny fanamiana sy satroka ireny amin’ny tanàna iray? Mba mila valin-teny mazava sy matotra ireo mpanara-baovao raha mahita izao, ireo minisitra tompon’andraikitra sy ny SEG, mba tsy hampifangaroana ny mpitandro filaminana tena izy sy ny sandoka, fa antony mahatonga tsy fandriampahalemana koa ny fanaovan’ny sasany ny fitafiana mpitandro filaminana izay. Efa misy ny lalàna mandrara izany, aiza ho aiza ny fampiharana azy?