Fivorian’ny filankevitry ny tanàna CUA – Nivoaka ny trano fivoriana ny mpanolotsaina TIM

Helisoa

Nisy ny fivoriana tsy ara-potoana izay nataon’ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo (CUA) omaly 30 septambra, tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Isan’ny lahadinika natao tamin’izany ny mikasika ny resaka taxi- moto, izay efa nolavin’ny mpanolotsaina maro an’isa nefa mbola tadiavina atao letrezana ihany ny fandaniana izany, eo anivon’ny filankevitry ny CUA. Manoloana izany dia nanapakevitra ny mpanolotsaina lany tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) fa hivoaka ny efitrano fivoriana, ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana amboletra tian’ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina atao.

Nanambara ireo mpanolotsaina TIM, fa fanivaivana ny hasin’ny mpanolotsaina ny famerenana an-tery ireo lahadinika efa nolavina tao anatin’ny fanapahan-kevitra (deliberation ) natao ny 26 aogositra 2021. Efa nentina taminay hoy izy ireo ny resaka taxi-moto ary efa nolavina ihany koa ny 30 aogositra 2022, naverina nodinihana fa mbola nolavinay hatrany. Fanitsakitsahana ny zonay nanapakevitra ny mbola fanaovana amboletra hamerina an’io indray, hoy ireo mpanolotsaina TIM, ary tsy io ihany fa maromaro ireo lahadinika nanaovana izany.

Araka izany dia tompon’antoka tanteraka amin’izao fanapahan-kevitra izao ary mpiray tsikombakomba amin’ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny mpanolontsaina, ireo rehetra mbola manaiky na iza izy na iza, ny hamerenana izao fifidianana izao indray. Nolazaina fa fahasahiranana amin’ny fomba hampiharan’ny mpanatanteraka ny lalàna noho ny resaka vide juridique, no antony namerenana indray ny lahadinika. Raha ny tsy fisian’ny lalàna no olana, afaka mamolavola tolo-dalàna ho amin’izany ny vaomieran’ny fitaterana dia voavaha ilay lazaina fa olana, fa tsy ny fanapahan-kevitra efa noraisina no atao remise en cause.

Noho izany, ho angatahinay MPANOLOTSAINA TIM, sy ireo miaraka aminay eny amin’ny tribunal administratif ny tsy hampanankery ary hanafoanana tanteraka izay fanapahan-kevitra rehetra naverina izany, noho ireo antony efa voalazanay tetsy ambony ireo, hoy ny fanambarana. Tantara mitohy arak’izany ity resaka fanaovana amboletra ataon’i Vazahabe sy ny ekipany ity.