Petite Vitesse – Tadiavin’i Vazahabe ho tapahana ny sotro fihinanan’ny mpivarotra

Stefa

Mitokona amin’izao fotoana ireo mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse, satria nesorin’ny kaominina teny amin’ny toeram-pivarotany izy ireo, nefa tsy misy akory ny vahaolana aroson’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hoy ireto mpivarotra ireto. Arak’izany, tadiavin’i Vazahabe ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ho tapahana ny sotro fihinanan’ireo mpivarotra, ka mahatonga azy ireo mitokona sy mitroatra izao.

Nahery fiteny mihitsy ireto mpivarotra ireto nandritra izany, nambarany fa ataon’ny fiadidiana ny tanàna ho toy ny alika izy ireo, asaina mankary dia mankany, halefa mankatsy dia mandeha, tsy afa-manoatra. Izany no nahatonga izao hetsika nataon’izy ireo izao omaly. Fotom-piveloman’ny olona no kitikitihan’i Vazahabe sy ny ekipany, ka anisan’ny mampipoaka sarom-bilany.

Teny Ampasika koa afak’omaly, efa nanao ny hadalany tamin’ny mpitarika sarety ny Polisy Monisipalin’i Vazahabe, nitroatra ireo sarety sy ny mponina, ka tonga hatramin’ny hoe : « Miala Rajoelina ». Hiafara amin’izany ihany ny zava-misy eto, satria efa tena mijaly ny vahoaka nefa tsy raharahian’ny fitondrana Rajoelina mihitsy.