Filoha Rajoelina – Nandainga tamin’ireo mpanao lalana tsy nahazo ny volany

Stefa

Nandainga tamin’ireo orinasa mpikojakoja lalana tsy nahazo ny volany hatramin’izao ny filoha Rajoelina. Nijoro ho vavolombelona nilaza ampahibemaso ny lainga sy ny fampanantenana poak’aty fanaon’i Andry Rajoelina ireo tompona orinasa mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany efa ho 3 taona latsaka kely ireo tamin’ity herinandro ity.

Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina izy ny faha-2 Aogositra lasa teo teny Ambohitsorohitra. Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’izany, fa “tsy fombako izany mamotika orinasa Malagasy izany, ka ho aloako ao anatin’ny 3 andro ny volanareo”. Tehaka mirefodrefotra hoy ireto tompona orinasa ireto no nataon’izy ireo, saingy indrisy, efa faha-29 Septambra isika izao, tsy nisy na ariary aza nefaina taminay.

Nambaran’ireto tompona orinasa mpanao lalana irero, fa 5 andro tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana dia efa voaloa ny volan’izy ireo; 15 andro kosa tamin’i Hery Rajaonarimampianina dia no nanefana ny volan’ny orinasa. Tsy mbola nisy tahaka izao hatramin’izay fitondrana nifandimby hoy hatrany ireo mpandraharaha mpanao lalana ireo.