Zava-doza ataon’ny fitondrana Rajoelina – Tsy takona afenina ny fanodinkodinana saim-bahoaka ataony

Andry Tsiavalona

Tsy takona hafeninana intsony ny fanodinkodianana ny saim-bahoaka amin’ny fomba rehetra, entina hanafenana ny zava-doza ataon’ny fitondrana. Ankoatry ny rediredy nampidina ambany dia ambany ny fiandrianan’ny Firenena, tany amin’ny Fivoriamban’ny Firenena Mikambana tany New-York dia mbola manohy ny fieboeboana fa hahavita zavatra goavambe ihany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ato anatin’ny herintaona sisa tavela ijanonany eo amin’ny fitondrana.

Tsy nisy nahita tokoa ny nanombohan’izao fitondrana izao ny fanarenana ny Trano Vola ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Tsy misy valaka tamin’ny nanorenan-dRajoelina Andry, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy Serasera, ny « Colisée ». Nanota fady indray izao fitondrana izao, ka efa nanomboka antsokosoko ny fanorenana ny « Trano Vola » ao anaty Rova. Ny tena manahirana dia tsy tena fitiavana ny hamelomaso ny vakoka sy ny soatoavina malagasy ny an’ny minisitry ny Serasera, fa te-hametraka ny dian-tànany fa nahavita zavatra teto amin’ny Firenena izy, ka ho fantatry ny « zanakamaparany » ny anarany.

Antananarivo anefa tsy Madagasikara, ka nahoana no tsy sahy mikitika ny “Doany” na “Tranobe” any amin’ny Faritra izao fitondrana izao. Azo inoana mantsy, fa fantatr’izao fitondrana izao, fa hirotaka ny Ampanjaka sy ny mponina raha hanao izany izy. Iaraha-mahita fa hazo avokoa ny akora nentina nanorina ny “Trano Vola” sy ny “Doany” ary ny “Tranobe”, ka tsy hanana ny “hasiny” intsony raha soloina “parpaings sy “béton” izany akora izany. Efa manakiana izao ataon’ny fitondrana izao ny taranaky ny Andriana eto Antananarivo ary inoana ihany koa, fa tsy maintsy hanao hetsika hanoherana izao tsy fanajana ny soatoavina izao ireto farany. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva fa matoa ny firenena any ivelany, toa an’i Japon sy Angletera ohatra, mandroso sy mahasarika mpizahatany ny vakoka any aminy dia tsy mametraka “architecture” vahiny ao anatin’ny toerana mampiavaka azy amin’ny hafa izy.

Tsy misy marina tsy atao hiseho tokoa satria dia miara-mipoitra amin’ity raharaha Rovan’i Manjakamiadana ity ny solika mitapoka solitany fandrehitra, ka ny manahirana dia voasambotsambotra sy ampidirina any am-ponja ny olona heverina fa asaina manao ny asa fotsiny kanefa ny atidoha mikotrika sy ny tomponantoka dia mitsotsotra any ihany. Raha olona mahalala ny hasin’ny ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izany dia tsy ho sahy hikitikitika ao mihitsy. Tsy mbola voasambotra ireo mpiasa ireo kanefa loza mitatao ho azy ireo izany.

Teny Ivato ny filohan’ny Repoblika ny alarobia lasa teo dia nanambara fa hividy angidimby iray ho an’ny Tafika an’habakabaka, hono. Mihevitra ny filohan’ny Repoblika fa adinon’ny Malagasy fa angidimby folo no nampanantenainy tamin’izany fotoana izany ary entina hiady amin’ny dahalo izany. Soa fa tsy nolazainy tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, fa raha vao tafaverina eto Madagsikara izy dia hividy angidimby toa ny fanamboarana ny lalàmbe migodàna hatomboka afaka volana vitsivitsy. Nivoaka ihany koa ny fampidirana mpiasam-panjakana marobe tsy azo eritreretina kanefa asa raha ho tafiditra amin’ny sorabola ao amin’ny lalàn’ny fitatantanam-bola lasitra 2023 izany ary misy toerana banga (postes budgétaires) mifanaraka amin’izany ve? Ny manahirana dia misy amin’ny mpiasam-panjakana amperin’asan’ny departermanta sasany aza tsy voaloa ny karamany, ka fampanantenana entina isarihana ny sain’ny tanora indray izany, mba hifidy an-dRajoelina Andry amin’ny fifidianana 2023.

Asa koa raha ho voafehin’ny fitondrana ny fanodinkodinam-bolam-bahoaka izay heverina fa be lavitra noho izay navoakan’ny IGE tamin’ny fomba ofisialy ho dimapolo miliara ariary mahery. Homena tombony manokana hono ny sehatry ny fampianarana noho ny rediredy tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, ka tiana harenina sy hitadiavana toeram-boninahitra ho tompondaka indray ny filohan’ny Repoblika. Maro ireo tranga sy hetsika ataon’ny fitondrana izay manamarina, fa tadiaviny havily tsy hieritreritra ny loza mianjady aminy ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo, ka hampiesonina amin’ny fampanantenana poakaty toy ny fanaony. Ka na inona na inona fahaizana manetsa dia tsarovy mandrakariva fa hafa ny anio sy ny omaly.