EDITO 1 Oktobra – Maro ireo mizana tsindrin’ila ataon’ny mpitondra eto

Helisoa

Misy ny mizana tsindrian’ila ataon’ny tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena amin’ny lafiny maro, izay iainana ankehitriny. Fa ny resaka fitsaràna dia efa mampiteny ny moana, satria hita mibaribary izany raha tsy hijery afa-tsy ireo tranga izay niseho tato ho ato. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe natao ho an’iza marina ny lalàna eto Madagasikara?

Ny fitorian’ny mpanohitra mikasika ireo fanalam-baraka ataon’ny mpomba ny fitondrana teny amin’ny sampan-draharaha momba ny heloka an’habaka (cybecriminalite), izay voatokana ho amin’izany, tsy misy tohiny hatramin’izao. Mailaka mihitsy anefa ny mpitandro filaminana raha vao ny mpitondra no mametraka fitoriana. Izany no mahazo an’i Stan’ley Ramarivelo izay efa ho herinandro no notazonina teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Omaly vao niakatra fitsaràna, mbola tsy hay izay hahazo azy hatramin’izao ora anoratana izao.

Etsy ankilany, nomena fahafahana vonjy maika ireo karana miisa 4 nigadra teny Tsiafahy, kanefa dia nohasarotina aoka izany ny fahazoan’ilay administratera sivily Andrianjafinaivo Lahinirina Edward, prefet an’i Toliara teo aloha, tokony hanao “dialyse” ka maty tao am-ponja. Ny tale jeneralin’ny CNAPS voasaringotra, fa nanodinkodina ny volan’ny mpiasa amina miliara maro, nampandosirina nivoaka ny fonja. Ninie Donia niaro ireo vahoaka madinika indray, nampangaina ho fikambanan-jiolahy dia nogadraina enimbolana an-tranomaizina.

Ankoatra izay, afaka manangona olona ny antoko TGV amin’ny toerana izay tiany hanaovana izany, fa hoe hanao famelomamaso ny antoko izy ireo. Bahanany ny lalana andehanana, tsy misy izany hoe manakana ny fandehanan’ny olona sy ny fiara fitaterana. Ny antoko hafa, indrindra ny Tiako i Madagasikara (TIM) dia sakanana amin’izay toerana hivoriana, na ao amin’ny toerana mifefy misy tompony aza. Ny filoha Marc Ravalomanana sakanana amin’ny toerana izay alehany.

Dia toy izany no zavatra misy eto amin’ny firenena. Mihevitra ve ny mpitondra ankehitriny fa ho eo amin’ny fahefana mandrakizay? ny fanaporetana olona amin’izao ve ahatonga ny fitondràna ho mamim-bahoaka? Tsy maintsy ho tonga ny fetran’izany rehetra izany, na ho ela na ho haingana!