Stations services – Milaza ho tsy tompon’antoka amin’ny fanaovana solika hosoka

Nangonin’i Helisoa

Manambara ireo “stations services” na toby mpitsinjara solika fa tsy tompon’antoka amin’ny fanaovana solika hosoka na solika mitapoka izy ireo.

Araka ny fanambaran’izy ireo: “manoloana ny tranga mikasika ny raharaha solika hosoka eto Toamasina ka nampidirana am- ponja vonjimaika ny tompon’andraikitra eo anivon’ny « stations-services » sasantsasany, izahay mpitantana « stations-services » rehetra eto Toamasina dia manao izao fanambarana izao :

Tsy tompon’antoka velively ao anatin’ny fanaovana solika hosoka ny «stations-services » izaytantananay;
Ny stations-services dia manao « commande» ary mividy solika amin’ny « Compagnies Petrolières ». Rehefa tonga ny solika dia tsy maintsy manaraka ny « procédures de dépotage » apetraky ny OMH sy ny « Compagnies Petrolières » izahay ary manao ny fitsirihana sy ny fanarahamaso rehetra mikasika ny fatra sy ny kalitao araka ny fenitra tokony ho izy.
Mandritra ny fanarahamaso izay ataon’ny « stations-services », no hijerevana ny « numéros de scellées » mifanaraka amin’ny « bon de livraison », ny fatra araka ny « commande » natao, ary indrindra fa ny kalitao araka ny fenitra tokony ho izy, amin’ny alalan’ny fitaovana fitsirihana kalitao nomena ny stations (Thermo-densimètre) ;
Manao ny asanay aradalana izahay : maninjara solika mahafeno ny fenitra ivarotana azy araka ny fatra ilain’ny mpanjifa, tsy afaka mandà na manao « refus de vente » izahay, ka tsy tompon’andraikitra velively amin’izay rehetra ampiasain’ ny mpanjifa ny solika novidiany,
Noho ny toedraharaha misy amin’izao fotoana izao anefa dia maneho ny ahiahinay izahay mpitantana « stations-services » rehetra sy ny mpiara miasa eny amin’ny « stations », noho ny endrikendrika tsy ara-drariny izay atao aminay mandritra ny fanatanterahana ny asa;
Araka izany dia mangataka ny fitondra-panjakana mahefa isantsokajiny izahay mba hanao ny fanadihadihana lalina mahakasika ny fanaovana solika hosoka eto Toamasina.
Raha misy kosa anefa « stations-services » tafiditra ao anatin’ny fanaovana solika hosoka dia mangataka ny hampiharana aminy ny lalàna, mba tsy hananan’ ny mpanjifa ahiahy momba ny
kalitaon’ny solika tsinjaraina ety amin’ny « stations-services ».”

Efa maro ireo mpitantana Tobin-tsolika anyo Toamasina no natao famotorana ary Mpitantana Tobin-tsolika miisa 2 no efa naiditra amponja vonjimaika amin’izao fotoana izao. Manahy amin’ny mety hisian’ny fanakatonana ny Tobin-tsolika araka izany ireo mpitantana Tobin-tsolika any Toamasina. Anisan’ny fangatahan’izy ireo ny hampitoviana ny fitaovana fitiliana solika amin’ny OMH. Betsaka rahateo hoy izy ireo ny Orinasa mampiasa solika fandrehitra izay mampanahy.