Mponin’Ambahikily any Bas Mangoky – Mitady hivadika amin’ny fifanekena ny fanjakana amin’ny fizarana ny tany

Aly

Manahy sy mitaintaina amin’izao fotoana ireo mponina tantsaha tompon-tany any Ambahikily distrikan’i Morombe faritra Atsimo Andrefana, ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky, satria lasa tompony mangataka atiny izy ireo amin’ny tanimbary azy ireo izay novoleny, tao aorian’ny fanajariana ny tany niarahan’ny fitondrana niara-niasa tamin’ny BAD: Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana. Mitondra ny fitarainany amin’ny tompon’andraikitra aty an-drenivohitra amin’izao fotoana ny solontenan’ireo mponina ireo tarihan’i Durlin Raharison. Takian’ireo mponina ireo arak’izany ny hampiharana ny fizarana ny tany araka ny fifanarahana voalohany tamin’ny BAD: miverina amin’ny tompony ny tany ao aorian’ny fanajariana natao, fa ny 25% ihany no an’ny fanjakana. Nisy tompon’andraikitra namadika anefa izany ankehitriny, ka lasa ny ampahany betsaka no lasan’ny fanjakana, fa ny 25% sisa no ho azon’ny tompon’ny tany, nefa izy ireo no efa nanajary izany tanimbariny izany efa an-taonany maro.

Tamin’ny voalohany, tonga ny BAD nifanaraka fa hamboarina ilay tany, hohajariana mba ho tombony ho an’ny mpamboly, tamin’izay nisy an’ilay hoe: homena tambiny ny fanjakana amin’ilay fanajariana ny tany, hotolorana 25%, nanaiky ny vahoaka, satria hoe haverina amin’ny vahoaka ny taniny, haverina amin’ny tompony rehefa voajarin’ny BAD sy ny fitondrana, mba hanatsarana ny fambolem-bary. Nony taty aoriana, nisy nanova indray ilay izy ho amin’izany « valeur venale » izany, izay tsy fantatra ny nipoiran’io, ny kajikajy nahatonga izany, ka gaga ny vahoaka hoe ny ampahany kely indray no ho an’ny vahoaka tompon’ny tany. Izany hoe nivadika ho 25% sisa no ho azon’ny vahoaka mpamboly tompon’ny tany, fa ny 75% no ho lasan’ny fanjakana. Ka mahatsiaro ho maty antoka ny vahoaka, mahatsiaro ho diso fanantenana, satria nieritreritra fa hahazo tombony, ho tafarina ny fari-piainany, nefa nony taty afara lasa tompony mangataka atiny ny vahoaka mpamboly any amin’ny faritry ny lemak’i Bas Mangoky manontolo, nefa amin’izao lasa diso fanantenana satria na ny lisitra efa navoaka aza, ny sasany tsy anaty lisitra, ny sasany ny taniny hafa ny tokony ho azony, nefa hafindra amin’ny toeran-kafa dia lasa mieritreritra hoe ho mpikarama ny hiafarany satria ny tany azy, maro an’isa koa ny tsy nanao fangatahana intsony satria efa taniny ny ao. Neritreretiny hamelomana bebe kokoa ny vady aman-janaka sy ny fara aman-dimby, nefa ho lasan’olon-kafa izay tsy fantatra hoe iza no ho eo, ahoana ny fandehan’io zavatra io, izay no mahatonga ny vahoakan’Ambahikily, ny ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky mitondra ny tarainany amin’ny fitondrana mahefa, mba hihaino izao fijalian’izy ireo izao.

Ny hetahetan’ny vahoaka dia ny hiverenan’ny taniny aminy, satria mahatsiaro ho voafitaka izy ireo, ka takiany ny hamerenana ny fifanarahana tamin’ny voalohany hoe: miverina amin’ny vahoaka ny tany, fa ny ¼ ihany no an’ny fanjakana, ho tambiny amin’ny fanatsarana, izay mahafinaritra tokoa amin’izao fotoana.

Ny fanjakana ankilan’izany dia manome fe-potoana 10 andro ho an’ireo vahoaka, hahafahany manao fitarainana momba ity raharaha resaka fizarana tany any Ambahikily amin’ny lemak’i Bas Mangoky ity.