Rovan’i Manjakamiadana – Nanota fady indray ry Rajoelina sy ry Lalatiana

Ny Valosoa

Tao aorian’ny Colisée izay ota fady ho an’ny Rovan’i Manjakamiadana, nanota fady hafa indray amin’izao fotoana ry Rajoelina sy ry Lalatiana, mahakasika ny fanaovany ny Tranovola eny amin’ity tanàna ambony eto an-drenivohitra ity.

Ny Tranovola eo ankavanan’ny Lapan’i MANJAKAMIADANA ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, izay napetraky ny Mpanjaka tamin’izany fotoana dia vita tamin’ny Hazo. Izao anefa dia miparitaka ny sary misy fanorenana fotodrafitrasa atao amin’ny vato na parpaing ao anatin’ny Rovan’Antananarivo. Manoloana ny ady hevitra sy ny fanakianana dia nitondra fanazavana ny pejy Facebook Serasera Mada, izay an’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ary nilaza fa fanarenana ny lapan’i Manampisoa sy ny Tranovola no atao ao amin’ny Rova.

Efa nisy tokoa ny fampahafantarana ny fanamboarana io Tranovola io, saingy tsy nisy fifampierana mihintsy ny nanaovana ny fanorenana amin’ny Béton, hoy ny Filohan’ny Ampanjaka eto Madagasikara, ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA: ” ny fanorenana ny Rova dia tokony hanaja ny Hasina, ny fomba aman-panao, ny soa toavina Malagasy ary indrindra ny soa toavina Andriana, izay misy amin’io toerana io, ary ny fanarenana ny Rova dia tokony haverina amin’ny endriny taloha nisy ary tsy anampiana ary tsy analana. Raha ohatra ka ilay ao amin’ny Tranovola ohatra hoe trano hazo no nanaovan’ireo Mpanjaka azy teo aloha, haverina amin’ny maha trano hazo azy, fa tsy tokony hasiana béton, tsy tokony hasiana parpaing, satria izay no maha vakoka ny vakoka, rakitry ny tantara, rakitry ny ela. Ny tsy fanajana ny Hasina, ny tsy fanajana ny fomba amam-panao ary ny tsy fanajana ny fady amina toerana anankiray dia tonga amin’ilay fitenenana hoe manota fady. Izay rehetra manota fady dia tsy maintsy iharan’ny loza. Raha nohon’ny tsy fahalalana ilay izy, na hoe fanahiniana dia mbola manao antso avo izahay hoe “OVAY NY FAMINDRA”, fa rehefa tsy manova famindra dia ho tratran’ny loza, hoy ny fanambarany. Izay rehetra nanota fady teo amin’ny Rovan’Antananarivo dia hitanay fa niongana avokoa.

Ny Colisée Romanina izay napetraka eo amin’ny Rovan’Antananarivo, zavatra natsangana taty aoriana, ka tsy mifanaraka amin’ireo vakoka napetrak’ireo Mpanjaka taloha dia tsy maintsy arodana ary tsy maintsy averina amin’ny nanaovan’ireo Mpanjaka azy teo aloha.”