EDITO 29 Septambra – Septambra : volana mafy eo amin’ny seha-pampianarana

Radafy

Mamarana ny volana voalohany amin’ny taom-pianarana vaovao 2022 – 2023 ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Tao anatin’izay fotoana izay no nahitana na farafahakeliny nahatarafana ny zava-misy marina iainan’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ity sehatra iray lehibe iankinan’ny fiainam-pirenena ity. Ny tsikaritra mazava, samy miatrika olana na ny ray aman-dreny, na ny ankizy mpianatra, ny mpampianatra na ny sekoly. Ny iombonana na ny fototry ny olana, fahantrana. Ny ray aman-dreny maro aloha, dia nifohifohy volo vao tafita naha tafidi-janaka. Zara fa tafiditra amin’ny varavaran-tsekoly ny zanany na dia tsy araka ny faniriany loatra aza ny safidin’izy ireo. Ny fanampian’ny fitondrana dia tsy hita soritra mazava izay nataony, fa fihalangalanana aza no betsaka, ary navela hiady irery ny ray aman-dreny. Mandrapahafaka ity volana ity aloha hoan’ny tokantrano marobe, dia ao anaty fihafiana lalina izy ireo, satria tsy mahaleo ny fandaniana amin’ny vola fampianarana ny vola miditra na karama isam-bolana, na isan’andro akory aza ho an’ny sasany. Iaraha-mahalala ihany koa anefa, fa tsy nahavita n’inona n’inona ny fitondrana tamin’ny fampihenana ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy nitsahatra niakatra hatramin’izay.

Io olana io, dia misy fiantraikany amin’ny fandrantoan’ny mpianatra fianarana sy ny lentam-pahaizany na tiana na tsy tiana, ary mipàka hatrany amin’ny voka-panadinana izany. Dia lasa fandre isan-taona tato ho ato, ny amin’ny filazana ny fitotonganan’ny fahaizan’izy ireo. Tsy miankina amin’ny tenany irery anefa izany manjo azy ireo izany, fa eo ihany koa ny mpampianatra. Ny mpampianatra izay tsy afa-miàla amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ary miatrika ny olan’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, ary ny sekoly hiasany. Ny mpampianatra izay tsy hita mihitsy izay mba fanomezan-danja ataon’ny fanjakana azy ireo, fa atao kitoatoa ny momba azy. Ny fitsinjovana mpitandro filaminana lasa lavitra noho ny an’izy ireo izay antoky ny fandrosoan’ity firenena ity. Mazava loatra, fa misy fiantraikany any amin’ny fomba fampianarany izany rehetra izany, hany ka any amin’ny vokatra no lasibatra.

Ny tompon-tsekoly na ny talen-tsekoly ihany koa dia tsy mijery afa-tsy izay hampandroso ny sekoliny. Miankina amin’ny fahavitrihan’ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany ao aminy, ny fahazotoan’ny mpianatra sy ny finiavany, ny ezaka ataon’ny mpampianatra no antok’izany. Maro amin’ireo sekoly anefa, indrindra ireo any amin’ny tsy miankina, no tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana na tao anaty krizy ara-pahasalamana teto amin’ny firenena roa taona nisesy ireny aza. Niady irery izy ireny mba hahafahana mandray sy mampianatra ireo zaza Malagasy. Raha mijery ny zava-misy eo amin’ity seha-pampianarana eto amin’ny firenena ity, dia mbola lavitra ny ezaka fanatsarana sy ny fivoarany.