VOANDALANA AVY ANY ZAMERIKA ?

Rahoviana Andavamamba no ho lasa Zamerika,
Fa ny ekipan-dry Lemizo , miandry ny filohantsika?
Mety ho amin’ny fiverenany , amin’izay no hanambaràny
F’eo an-dalam-piketrehana ny hahatongavana amin’izany!

Fa hatreto ry Lemizo tena mbola mafy ady.
Mila tsy hahajoro intsony f’atsy ho atsy angamba handady,
Noho ny olana misesy sy ny hasarotry ny fiainana,
Saingy, indrisy, ny mpitondra toa tsy azony itarainana!

Efa tapitra namidy ireo soavaly mba nananana.
Efa fongana tanteraka izay rehetra teo an-tanana.
Ka ny nofinofy sisa dia ny hisian’ny mazika,
Hampiova ilay Andavamamba mba ho lasa Zamerika!

Toamasina ho Miami no efa tena nolazaina.
Ambato hivadika ho Parisy , izany koa ilay andrandraina,
Ka ho diso ve Lemizo hiandrandra ny filohantsika
Hiteny fa Andavamamba koa ho lasa Zamerika?

TSIMIMALO (23-09-22)