Mpianatra Malagasy any Rosia – Mijaly tsy mahazo ny tohana ara-bola tokony homen’ny fitondrana

Stefa

Mijaly amin’izao fotoana ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Rosia, an-taonany izy ireo tsy mahazo ny tohana ara-bola tokony homen’ny fitondrana. Mahatsiaro tsy misy Ray aman-dreny ireo mpianatra Malagasy ireo noho izany. Efa aman-taonany izao ireto mpianatra mandranto fianarana any Rosia ireto, no mijaly amin’ny fandraisana ny fanampiana ara-bola tokony homen’ny Fanjakana Malagasy azy ireo.

Ilain’ireo mpianatra anefa izany, satria tsy manan-jo hiasa ihany koa izy ireo, nefa tsy maintsy miantoka ny fiainana any an-toerana.

I Rosia dia anisan’ireo firenena nanesoran’ny fitondrana malagasy ireo ambasadoro maneran-tany tamin’ny taona 2019, ary hatreto mbola tsy misy solony izany masoivohon’i Madagasikara any Moscou izany.