Tsy mifanaraka amin’ny ministra Lalatiana intsony – Nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Tranombokim-pirenena

Stefa

Tsy nifanaraka tamin’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy intsony, nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Tranombokim-pirenena Andrianjaka Raonison. Naleony niala satria tsy mety intsony ny fiaraha-miasa. Izy izay nandray io toerana io tamin’ny 22 martsa 2019, nandimby toerana an’i Willy Rahetilahy. Tsy nambara ofisialy ny antony nitarika ho amin’izao fametraham-pialana izao, na izany aza tombanan’ny mpiasa ho tsy fitoviana fomba fijery sy resa-pitantanana no ambadik’izao.

Velon’ahiahy ny mpiara-miasa aminy, indrindra ireo mpiasan’ny ANTA (Agence Nationale d’Information Taratra) teo aloha, izay nisafidy ny hifindra hiasa ao, nisahana ny Arsiva; ny sasany lasa ao amin’ny ORTM, manoloana izao fametraham-pialan’ny Tale Jeneraly izao, satria tsy misy mangirana mantsy hatreto ny mety ho fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra azy ireo.