Etazonia – Manampy ny fanofanana ireo tanora Malagasy ho lasa mpitarika

Aly

Manampy ny fanofanana ireo tanora Malagasy ho lasa mpitarika i Etazonia. “Manohana anareo izahay” hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo raha niarahaba ireo tanora Malagasy mpitarika 74 vao nahavita fiofanana, tanora mpitarika sy mpiaro ny tontolo iainana iray koa nahazo fankasitrahana manokana. Nandritra ny lanonana izay natao ny zoma teo teto Antananarivo, ho fiarahabana ireo mpandray anjara Malagasy miisa 74 tamin’ny programa YALI, izay hanohanan’ny governemanta amerikana ireo tanora afrikana dia niantso azy ireo ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo, mba ho tonga mpitarika sy fitaratra ho an’ireo tanora hafa any amin’ny fiarahamonina misy azy, hahay miara-miasa hiatrika ireo fanamby maika atrehan’i Madagasikara sy izao tontolo izao.

Nilaza mazava ny fahavononan’ny governemanta amerikana hanohana ireo tanora Malagasy mpitarika vao misandratra ny Ambasadaoro Pierangelo, ka niteny fa “Etazonia dia mahatoky anareo ary manohana anareo”. Anisan’ireo nahazo fankasitrahana manokana i Marie Christina Kolo izay tanora mpitarika sy mpiaro ny tontolo iainana, satria natolotra azy ny loka YALI Leadership Impact ho an’ny taona 2022. Marie Christina Kolo dia nandray anjara tamin’ny programa YALI Mandela Washington tamin’ny taona 2017 ary voafantina tao anatin’ireo nisitraka ny programa YALI maherin’ny 5 100 maneran-tany, noho ny asa nataony ka nitondrany fiovana teo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny miralenta teto Madagasikara. Ny 60 tamin’ireo tanora mpitarika ireo dia niofana tany amin’ny YALI Regional Leadership Center, ny 11 dia YALI Mandela Washington ary vao tafaverina eto an-tanindrazana taorian’ny fiofanana tany Etazonia, ary ny telo dia nisitraka ny programa YALI Alumni Enrichment Institute.

Ny programa YALI Mandela Washington Fellowship dia natao hanohanana ireo tanora mpitarika ao anatin’ny asam-panjakana, sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny tontolon’ny fandraharahana ho any Etazonia, hisitraka fiofanana momba ny fahaiza-mitarika ary hianatra amin’ny Oniversite amerikana mandritra ny enina herinandro. Ny programa YALI Alumni Enrichment Institute indray dia natao ho an’ireo efa misitraka ny YALI Mandela Washington hiverina any Etazonia ary hiara-hiasa amin’ireo mpitarika Amerikana mitovy aminy sy hampihàtra ny fahalalana izay noratoviny nandritra ny fiofanany. Ny programa YALI Regional Leadership Center dia sady misy fiofanana mivantana no misy fiofanana ampitain-davitra, ho an’ireo misehatra amin’ny varotra sy ny fandraharahana, ny fitantanana fikambanana tsy miankina, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay atao any amin’ireo foibe fiofanana any Sénégal sy Afrika Atsimo.

Ny fanohanana ny tanora mpitarika afrikana dia hetsika lehibe ataon’ny governemanta amerikana, ho fanohanana ireo afrikana ho mpitarika atsy ho atsy.