Stanley Ramarivelo lançeur d’alerte amin’ny FB – Mbola voatazona ao amin’ny Toby Ratsimandrava

Helisoa

Voatazona eny amin’ny Sampana momba ny heloka an’habaka, na Cybercriminalite eny amin’ny Toby Ratsimandrava i Stanley Ramarivelo, lançeur d’alerte, na mpampaneno lakolosy amin’ny FB. Mahakasika an’ilay compte fake “stanley ramaro” nampiasa ny sariny, no voalaza fa antony nanaovana famotorana sy itazonana azy hoy ny reniny, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny ivelan’ny Toby Ratsimandrava omaly. Tonga tato an-tranonay nanao “perquisitions”, hoy izy ny zandary 3 lahy ka, nentin’izy ireo any ny unité centrale sy ny ordinateur fampiasako. Nanontany ireo zandary aho hoy ny reniny Stanley mikasika ny itondràna ireo fitaovana ireo, ka namaly ireto farany, fa aza matahotra Neny fa entina hiarovana azy ary ahafantarana ny marina, fa tsy azy ilay compte Stanley Ramaro ireto.”
Gaga anefa izahay fianakaviana nahita ireo andiana compte sy pejy fako manaparitaka sy manitrikitrika fa “Stanley Ramarivelo”, no mitondra ilay compte Rano mangotraka”, izay mbola mandeha ankehitriny nefa i Stanley voatazona eny amin’ny Zandary.

Nilaza ny Reniny fa lehibe tany amoron-tsiraka, tany Sambava) i Stanley ary manana namana maro avy any, ka tsy izy mihintsy no hanao publication mandranitra adim-poko sy fanambaniana tahaka ny publication aparitak’ilay kaonty fako mampiasa ny sariny. Ankoatra izay, mpino katolika hiringiriny rahateo ny fianakaviana, ka tsy i Stanley mihintsy no andeha hamingavinga ny finoany. Tsara ny manamarika, fa isan’ireo tanora mpaneho hevitra ara-pôlitika sy mikasika ny raharaham-pirenena i Stanley Ramarivelo, ary notsikerainy matetika ny Fitondrana Rajoelina. Hatramin’ny fotoana nanoratanay, na efa tokony ho tapitra tamin’ny 12 ora atoandro omaly zoma ny fotoana nitazonana ity tanora ity dia mbola tao amin’ny Toby Ratsimandrava ny tenany. Mbola ramatahora sy antsojay ataon’ny fitondrana Rajoelina, amin’ny mpaneho hevitra amin’ny FB izao mitranga momba an’i Stanley izao.

:
.