Fitondrana Rajoelina – Mitranga foana ny karazan’olana saika isan-kerinandro izao

Sôh’son

Ity fitondrana Rajoelina ity no fitondrana tsy maintsy ahitana olana ary saika isan-kerinandro mihitsy izany. Olana maro samihafa, tsy mitovy tranga izy ireo, ary mahita sy mahare zava-baovao hatrany ny vahoaka. Vaovao, satria tsy mbola fahita teto amin’ny firenena hatramin’izay tato anatin’ny 60 taona nisian’ny fitondrana samihafa nifandimby.

Anisan’izany ny nitranga tato ho ato, sy niteraka resabe tokoa, momba ny solika mitapoka rano sy pétrole na zavatra hafa, ka manimba ny môteran’ireo môtô sy fiarakodia maro izany. Tsy mbola nisy teto izany. Iza no afaka manangona solika be dia be sy pétrole toy ireny tamin’ny fampitam-baovao ireny eto amin’ny firenena? Mazava loatra fa mpanefoefo tsotra izao no afaka hanao izany, fa tsy vitan’ny olom-pirenena tsotra, na ny sarambabem-bahoaka izany. Nambara fa misy tambazotra na “mafia” mihitsy izao raharaha izao.

Lasa ny saina mandre izany, aiza ihany no tsy misy “mafià” izany, fa saika ambaran’ny fitondrana ho misy izany rehefa tranga mafanafana. Anisan’izany, ohatra, ny resaka fanondranana volamena antsokosoko any ivelany, izay tsy fantatra ny fanadihadiana sy ny fiafaran’ny raharaha, toy ny sarona tao Afrika Atsimo, sy tao amin’ny Nosy kômôro, na tany amin’ny firenen-kafa. Tsy fahita teto amin’ny firenena ihany koa anefa izany toe-javatra izany, ary miha-maro tao anatin’izao dimy taona farany izao, raha araka ny fampitam-baovao sy fanazavana re.

Inona indray koa ny hiseho manaraka, aorian’izao resaka solika izao? Tsy maintsy misy izany raha ny fisehon’ny raharaha tato anatin’ny efa-taona latsaka nahateo amin’ny toerany izao fitondrana Rajoelina izao. Efa nanome lohateny mihitsy ny namana ao amin’ny “Miara-manonja” MBS, hoe “scandales de la semaine”, ka itanisany ireo toe-javatra nitranga vaovao indray tao anatin’ny herinandro teto amin’ny firenena. Ilay mitranga amin’io matetika manala-baraka sy mampietry voninahitra ny firenena malagasy eo imason’izao tontolo izao.

Ny nataon’izao fitondrana izao ihany ve no mahatonga izany? Anisan’ny efa nambara teto amin’ny gazety, fa hatrany am-piandohana izao fitondrana Rajoelina izao, no ratsy fototra. Noho ny fampanginana na fanafenana mihitsy ny fahamarinana tsy hitranga eto, nanomboka hatrany amin’ny famoahana voka-pifidianana ho filoham-pirenena. Mitohy hatrany izany tsy fanehoana ny marina izany ary ny mifanohitra amin’izany no ezahina voizina sy ampidirina ao an-tsain’ny sarambabem-bahoaka, na ihany koa fanilihana andraikitra amin’ny hafa. Tsy atao hahagaga araka izany, raha mitranga manao tohivakana ny olana maro samihafa eto amin’ity firenena ity. Ny manahirana, ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany, toy izao manjo ny mpanjifa na mpampiasa solika izao. Tsy mahasoa ary tsy hahasoa ny firenena velively ny fitondrana ny firenena ao anaty tsy fahamarinana.