EDITO 24 Septambra – Ady amin’ny fahantrana lalina misy – Mila fongorina ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ataon’ny mpitondra

Lalasoa

Ireo mpisitraka tombontsoa manokana sy mihoa-pampana avy amin’ireo mpitondra ankehitriny sisa, no tsy miaiky sy tsy mahita ary tsy mandre fa latsaka anaty fahantrana lalina ny fianan-dRamalagasy, nanomboka, ny taona 2009; nisian’ny « fanonganam-panjakana manara-penitra » notarihan’ireo « Ory hava-manana » sy mamban-tseza tafahoatra mandraka ankehitriny. Tsy ho voatanisa etoana ireo fahoriana ateraky ny fahantrana lalina misy amin’izao vanimpotoana iainantsika izao, fa ho singanina amin’ireny ny tsy fisian’ny asa, ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny marolafy miseho tsy andro tsy alina ary saika hita manerana ny Nosy, ny tsy fahafahana mitsabo tena ary ny fitondrana tapa-kibo isan’andro vaky izao, noho ny tsy fahampian’ny harapaka vokatry ny tsy fahampian’ny vola miditra isan-tokantrano, sns…

Manoloana ireo rehetra ireo, toa valala voatango Ramalagasy, very fanahy mbola velona ary tsapa fa toa miraviravy tanana ny ankamaroany. Velom-panontaniana ny mpanara-baovao manoloana izany manao hoe: Miharitra ve sa tsy afa-manoatra Ramalagasy? Raha ny Soatoavina malagasy anefa no itodihana dia mazava ny voambarany, fa ny marina tsy enti-mandefitra, tsy fanao ny mijery arina an-tava. Etsy ankilany, ireo Vahiny dia nanasokajy an’i Gasikara ho « Firenena sy Vahoaka maka milamina » eo amin’ny fomba fiaina sy fisaina eo am-pamakivakiana ny fiainana. Toa fijery sy petra-kevitra roa mifanohitra ireo. Aoka koa anefa tsy ho hadinoina fa anisan’ny mahari-pery ihany koa ny Malagasy.

Sao efa tonga kosa ny fotoana hijoroana handresena ny haizin’ny tsy fahamarinana mahazo laka amin’izao fotoana izao, izay anisan’ny antony maventy miteraka ilay fahantrana lalina iainan’ny maro an’isa amin’ny Malagasy. Mila firaisankina mafy orina sy fifampatokisana ary fahavononana ombam-pinoana eo amin’ny isam-batan’olona anefa ny hahafahana mandrava ny tsy rariny, sy ny tsy fahamarinana mahazo laka eto amin’ny firenena misy ankehitriny. Tsy tokony hanararaotra ny fahatsorana sy ny fahareta-perin’ny Malagasy ireo “Mpitondra fanjakana” fa raha mitohy izany mety ho sakoroka tsy hifankahitana no hiafaran’ny fizotran’ny tantaran’i Gasikara. Mila tonga saina sy samy mandini-tena, araka izany, ny “Vahoaka” valalabemandry sy ny “Mpitondra nampindramina fahefana”, fa tsy hanao resaky ny moana sy ny marenina tsy miera-bokatsoa lava izao isika mianakavy. Samy kôpy (Mahafantatra sy mahalala) fa mody mitapy tokoa ve? Samia mandray ny andraikiny sy ny manandrify azy dia hirindra ny fiainam-piaraha-monina e! Ny manam-pahefana aoka hampiasa am-pahamarinana ilay “Fahefana” fa tsy hanao izany ho fihazana tombontsoa manokana sy fitazonan-tseza. Ny Vahoaka kosa ho sahy hijoro hilaza ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana fa tsy hanao “Eny tompoko” isan’andro vaky izao manoloana ny zara vilana sy ny kely tsy mba mamindro misy ankehitriny. Sao tratry ny “Bemanaiky” kosa àry isika mianakavy ity, hoy ilay be vazivazy izay. Na izany na tsy izany, misy farany avokoa ny zava-drehetra, indrindra ny zavatra atao tsy am-pahamarinana, sy tsy ara-drariny toy ny ataon-dRajoelina sy ny forongony izao.