Trondro atao voan-dalana – Be no gaga sy mimenomenona amin’ny fakana fahazoan-dalana

Stefa

Be no gaga sy mimenomenona amin’izao fotoana mahakasika ny tsy maintsy hakana alalana any amin’ny ministeran’ny jono, na ny sampan-draharaha miankina aminy, raha hitondra tondro maina na lena atao voan-dalana entina amin’ny fiara mpitatitra ireny, na taksibrosy izany. Voalaza fa na trondro maina, na lena latsaky ny 10 kg aza, ka hoentina hatao voan-dalana ho an’ny fianakaviana dia tsy maintsy hakana izay fahazoan-dalana izay.

Nahoana hoy ny maro no tsy nisy an’izany hatramin’izay? Na tsy andoavam-bola aza ny fakana ilay taratasy any amin’ny sampan-draharahan’ny jono sy ny toekarena manga, tena manahirana izany. Ny taksibrosy misy no mandeha alina, raha hividy voandalana amalona maina na trondro maina izany ao Antsapanana amin’izany andro alina izany, dia aiza no haka fahazoan-dalana? Toy izany koa raha avy any Morondava ohatra, miainga atoandro ny fiara mpitatitra, hariva vao mandalo Miandrivazo, dia aiza amin’iny hariva iny koa no haka fahazoan-dalana raha hividy trondro maina na lena hohanina ao?

Efa tena manaotao foana sy mila vaniny amin’ny tsy misy antony mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao hoy ny maro. Nisy ny nilaza ireo sendra njy gazety: aiza no ahitanay izay birao izay hakana izany raha mandalo ao Antsirabe, na Toamasina, na Mahajanga, sy any amin’ny toeran-kafa, tena manaonao foana mihitsy ilay ao amin’ny jono? Ho fehiny, sady efa fitondrana tsy mahay mitantana no misy eto, no mbola manaotao foana ihany.