Andapa sy ny Filoha Ravalomanana – Tsy maintsy atao ny fakàna fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana

Helisoa

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny birao politika nasiônalin’ny antoko TIM any amin’ny faritr’i SAVA, ka tany amin’ny distrikan’Andapa ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro sy ny delegasiôna miaraka aminy, nihaona tamin’ny mpitarika ny antoko tany an-toerana. Nisy ny dinika sy toromarika atao amin’ireo mpikatroka TIM any an-toerana amin’ny fomba entina hampiroboroboana ny antoko. Eo ihany koa ny fiomanana hiatrehina ny fifidianana ho avy amin’ny taona 2023 dieny izao.

Fa nandritra ny fihaonana tany Andapa dia nifampiresaka mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny teknolojia vaovao, visioconference, ireo mpikatroka TIM tany an-toerana mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, izay tsy azo lalovana fotsiny amin’izao. Manoloana ny fitarainana nataon’ireo tantsaha tany Andapa, dia namaly izany ny filoha Marc Ravalomanana, fa vonona ny tenany hitondra vahaolana, saingy tsy maintsy atao aloha hoy izy ny fakàna fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana, mba hahafahana manao ny fanarenana haingana. Ilaina araka izany ny firaisankinan’ny rehetra, satria noho ny tahotra dia tsy maintsy efa manomana ny tetika any ambadika any ny eo amin’ny fitondrana, izay tsy manana vahaolana sady tsy mahalala, no tsy mahay akory ny fahasarotana sedrain’ny tantsaha ankehitriny.

Manomboka izao araka izany hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia tokony efa samy ho mailo daholo ny rehetra, samy hitandrina sy ho sarotiny, satria na misy aza ny vahaolana dia tsy afaka hotanterahina raha tsy azo aloha ny fitondrana.