Mafy ny manjo ireo nifidy an’i Andry Rajoelina

Helisoa

Samy resy lahatra sy manaiky ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, fa latsaka anaty fahantrana lalina ny firenena sy ny isan-tokantrano. Mampalahelo mihoatra lavitra noho ny hafa anefa ny manjo ireo izay nifidy an’i Andry Rajoelina sy ny TGV. Izy ireo no tena diso fanantenana tanteraka, latsa-panenenana manoloana ny safidy natao.

Teo ireo sodokan’ny dokam-barotra tamin’ireny IEM ireny, ny sasany kosa noho ny tee-shirt sy vola 25.000 fmg nandritra ny propagandy. Tsy tokony ho menatra na hiampanga tena ho tomponantoka amin’izao fahantrana lalina izao anefa izy ireo. Ho avy ny fifidianana amin’ ny 2023, aza manaiky ho rebireben’ny mpamitaba-hoaka ireny intsony e! aleo hipetraka amin’ny tena safidy, ka hijery ny mahasoa ny firenena. Mieritrereta iray minitra monja, ka jereo ny hanjo anao raha mbola misy 5 taona hitondra ny firenena indray ny mpitondra tsy mitsinjo vahoaka amin’izao.

Ny delestazy nanaovana vava ery rehefa nanao fifanatrehana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, nandritra ny fampielezan-kevitra tao amin’ny haino aman-jerim-pirenena RNM sy TVM, fa ampidinina ny vidiny fa lafo loatra ny vidin’ny jiro eto Madagasikara. Am-piakarana ny tanjaky ny jiro ampiasaina sy ny maro tsy voatanisa intsony. Niedinedina ery tamin’izany, nefa aiza izao? miaina ao anaty fanapahan-jiro lavareny ny tokantrano Malagasy manerana ny Nosy. Ny resaka sôsialy tsy misy fijerena, fa mody tambazana amin’ ny vary tsinjo tsy mahavita taona ny mponina vitsivitsy.

Zao vao tonga saina ny maro fa efa lasa lavitra i Madagasikara sy ny Malagasy raha tsy nisy ireny fanonganam-panjakàna ireny tamin’ny taona 2009. Mbola azo antoka anefa ny hanarenana izao fiainam-bahoaka izao, raha olona hendry sy mahalala ny tokony hatao no lany ho filoha amin’ny 2023, fa tsy olona dedaka nefa tsy ahoan-tsy ahoana sy mpampiesona ohatra ny misy amin’izao.