Faritra Atsimo Andrefana – Tafapetraka ny COMTIM any Bezaha

Helisoa

Mitohy hatrany ny fametrahana ny rafitry ny antoko TIM manerana ny faritanin’i Toliara teo aloha, ataon’ireo mpitarika ny TIM any an-toerana, ka tany Bezaha distrikan’i Betioky Atsimo faritra Atsimo Andrefana, no nanohizan’ireto farany izany. Nandritra ny dian’ireo biraon’ny TIM faritra Atsimo Andrefana dia tafantsangana ny biraon’ny COMTIM ao Bezaha. Teo ihany koa ny nanomezana toromarika ireo mpikatroka TIM, izay avy amin’ny birao politika nasiônaly entina hampandehanana ny antoko.

Tokana ny toromarika, mila miomana ny rehetra hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray. Latsaka an-katerena ny vahoaka Malagasy ankehitriny, ary miaina ao anaty fahantrana lalina. Fa raha ny any Bezaha dia velon-taraina ny mponina any an-toerana, satria ataon’ny fanjakana zanak’Ikalahafa. Bezaha no nanome vato be indrindra an’izao fanjakana mijoro izao, satria nanantena izy ireo fa hahazo distrika sy hasiana fanamboarana ny lakandrano manondraka ireo tanimbary any an-toerana izay nampikaikaika ireo mpamboly. Kanjo inona no teo? Tsy nisy tanteraka ny veliranon’ny fitondrana Rajoelina any amin’ity kaominina ity.

Velon-taraina ihany koa ireo sefo fokontany ao Bezaha, fa efa ho 3 taona amin’izao izy ireo mbola tsy nahazo ny tambin-karama izay efa kely dia kely. Manoloana izany dia miantso ny Filoha Marc Ravalomanana izy ireo, mba hirotsaka hofidiana indray amin’ny taona 2023, fa izy ihany no mahavaha ny olan’ny vahoaka sahirana, indrindra ny tantsaha, hoy ny any amin’iny faritra iny.