REHEFA NY OLONAO MPITONDRA

Rehefa ny olonao mpitondra no manao fahadisoana,
Dia tsy misy fitsarana na koa mihemo-dava foana?
Ampanginina mihitsy sy tsy avela mba hifoha,
Fa misy ve ny teny midina na baiko avy amin’ny filoha?

Aiza ho aiza izao ny momba ireo aferan’andramena,
Ary moa tsy misy tohiny ny fanondranam-bolamena?
Misy ve ny voasaringotra amin’ireo mpitondra ambony,
No dia mangingina ireny, tsy hofohazina intsony?

Rehefa ny olonao mpitondra no iharam-piampangana,
Dia mazàna afa-maina sy tsy misy mba voatana?
Sa madio daholo ireny ka arovana hatrany,
Ahoana ny “bonbon sucette” , vita maina ny amin’izany?

Ao ny ecran plat sy ny tsy mety ataon-dry sola.
Moa ho afa-maina ve ireo mpanodinkodim-bola?
Raharaha tranainy ireny nefa iniana tsy fongarina,
Sa tsy avela mba hipoitra fa totofana ny marina?

Saingy raha vao mahakasika ireo avy amin’ny fanoherana,
Dia tsy angatahina andro sy tsy asiana fileferana?
Zara misy lelo ahisina, ny hamorona aza atao?
(Ontsa anao aho ry mpitondra tena tsisy kalitao !)

Moa manaiky izany koa ny ao anaty fitsarana,
Dia ianao izay nianiana fa hampihàtra ny lalàna?
Manantena anao ‘zahay ka aoka tsy handraraka ilo.
Ry mpitsara mijoroa dia misehoa mba ho fanilo!

Aoka hanananao tanteraka izany atao hoefahafahana.
‘Ndeha ialao ny teritery izay mamatotra valahana.
Mijoroa dia miadia mba hanam-pahaleovantena,
Fa ianao madio sy marina no hampandroso firenena!

DADAN’i RIANA (sept 2022)