Ataon’ny fitondrana antsirambina ny fampihavanam-pirenena

Sôh’son

Miharihary izao fa ny fitondrana Rajoelina dia tsy miraika mihitsy amin’ny resaka fampihavanana ny samy Malagasy, na ny mpiray tanindrazana eto amin’ity Nosy ity. Tsy nisy teny na kely aza avy amin’ny fitondrana mba nilaza ny amin’ny finiavany ho amin’izany, tamin’ny fotoana vao tsy ela izao ny momba ny fifaranan’ny fe-potoana iasan’ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na CFM. Tsy nisy resaka ny vary mangatsiaka miandry ny fitondrana amin’ny adidiny, izy no tomponandraikitra farany hahatanteraka azy, ny momba ny fanonerana ireo gadra politika izay efa aman-taonany maro izao no niandrasana izany ary tsy fantatra hoe rahoviana. Tsy nisy ihany koa izay mba finiavana fanampiana nataony hatramin’izay amin’ny CFM, mba hisian’ny dingana hirosoana marina amin’izany fampihavanana izany eto amin’ity firenena.

Efa lesoka lehibe io tany amin’ny andron’ny tetezamita nandritry ny dimy taona ngarangidiny, ary zara ilay fiainam-pirenena raha tafita tonga tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena tao anaty firaisankina narisarisa lalina. Miditra amin’izao fe-potoanan’izao fitondrany izao indray izay efa tsy misy afa-tsy herintaona latsaka sisa, dia tsy nisy ezaka mihitsy ho amin’izany fa nalefany « higorodana » amin’izao fotsiny ilay fiaraha-monin’ny samy Malagasy. Mihevitra mantsy izy, fa hiravona ho azy amin’izao izany. Hadisoan-kevitra lehibe anefa izany, satria mafy loatra ary lasa lalina amin’ny fahavoazana sy mipetraka ho tantara velona ny zava-nisy tamin’ny taona 2009 ireny. Manaporofo izany ny tsy fisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ity firenena ity rehefa manentana ho amin’izany ny fitondrana, hany ka lasa mandeha ila izany ka zary mampihemotra ny firenena mihitsy aza izay izao iaraha-mahita sy miaina izao. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena hevitr’izao fitondrana izao momba ny fanohizana ny raharaha fampihavanana eto amin’ity firenena ity rehefa tapitra ny fotoam-piasan’ny CFM.

Manamafy ny fomba fisainan’ny fitondrana momba ny tsy firaikana amin’izay fampihavanana sy famerenana ny firaisankina ho amin’ny tsara naha mendrika ny Malagasy fahiny izay ny zava-nitranga andro vitsy lasa izao, ny momba ny raharaha mahakasika an’ilay mpandraharaha, Mbola Rajaonah, izay efa taona maromaro izao no nogadraina. Nanaitra ny sain’ny mpandinika ny raharaham-pirenena, ny fisavana natao indray teny amin’ny trano fonenany, sy indrindra ny anton’izany. Ilay olona anefa migadra ary tsy tao anaty loham-piampangana azy tany aloha mihitsy ny anton’ny fisavana. Nanaitra ny sain’ny olom-pirenena ihany koa ny amin’ny fisavana hatramin’ny tranon’ireo mpanofa tranony. Mampieritreritra lalina ny amin’izany satria ilay olona aza any amin’ny taona 2024 vao vita ny saziny any am-ponja. Toy ny hazakazaka arahin-tosika ny fandehan’ny raharaha amin’izany.

Efa nambara hatramin’izay naha teo amin’ny toerany izao fitondrana Rajoelina izao, fa fositra iray tsy hamapandroso ny firenena ny tsy fisiana, na ny tsy fahavitan’ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Voaporofo tsara izany amin’izao zava-misy sy iainana eto amin’ny firenena izao. Ary raha mbola mikiry amin’ny heviny sy ny fomba fiasany hatramin’izay ihany izao fitondrana izao dia ho volan-kakanfotra hatrany ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka Malagasy mandra pahavitan’ny fe-potoana iasany.