Solika mitapoka – Mangina tsy ahenoina feo ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa

Stefa

Nalaza tamin’ny herinandro teo, sy amin’ny fiandohan’izao herinandro izao, ny mahakasika ny solika mitapoka misy any Toamasina ary efa mety tonga aty an-drenivohitra koa. Ny mahagaga ny maro amin’izao fotoana momba ity raharaha ity, tsy andrenesam-peo ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto amintsika.

Anisan’ny tena asa sahanin’izy ireo izany amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa izay, satria zon’ny mpanjifa ny mahazo solika ara-dalàna, tsy mitapoka, manara-penitra,… Mangina anefa ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa, misy fitenenana izay milaza hoe:” manaiky matoa tsy miteny!” Mpiray tsikombakomba amin’ny ratsy ny hevitr’izao fahanginan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa izao.

Raha ny angom-baovao azo hatreto ary gazety mpomba sy mpiara-dia amin’ny fitondrana no namoaka azy dia olona milaza ho mpiara-dia amin’ny fitondrana no manao izao toetra ratsy manapoka solika izao, misy ihany koa ny nanambara fa ministra ao amin’ny governemanta mihitsy no atidoha. Ny fanadihadiana sy famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana no hahafantarana izany, raha tsy ho very an-javony fotsiny indray.