Fambolem-bary – Niara-nanetsa tamin’ny tantsaha ny depiote Todisoa

Aly

Lemaka mamoka-bary amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo ny lemak’i Betsimitatatra sy Laniera. Misy amin’izany toeram-pamokaram-bary izany no ao amin’ny Boriboritany faha-6. Efa manomboka amin’ny fanaovana ketsa vary aloha ny eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Noho izay antony izay, niara-nanetsa tamin’ireo tantsaha teny an-tanimbary ary nanolotra fanampiana ho azy ireo ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry.

Ankoatra izany, nijery ifotony koa izy ny fambolena Orge ( fanaovana labiera) sy varim-bazaha ( blé), izay tena mamokatra tokoa eny an-toerana. Notsidihany tamin’izany koa ny dobo trondro teny Anosibe Zaivola ary nanambara ity olom-boafidy ity, fa hitady lalam-barotra, mba ho fanampiana ireo tantsaha. Depiote akaiky sy miara-mihosona amin’ny vahoaka sy ny tantsaha tokoa, ity olom-boafidy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ity, toy ny filoha mpanorina ny antoko Marc Ravalomanana ihany.