KRIZY NY GASY!

(Sary nindramina)

Rehefa ny rano no mbola ilaharana
Fa tsy mandeha araka ny filana,
Dia izay ilay krizy mandom-baravarana,
F’aza dia jamba re rafanjakana!

Raha ariary zato no mahafeno daba
Dia ho anay madinika, mafy dia mafy!
Krizy izahay ka dia mibabababa.
Ny sofinareo re mba etsy sokafy!

Rehefa ny jiro no tapaka lava
Ka tonga ireo halatra sy vaky trano,
Dia efa krizy ilay tsisy mazava
Fa tsy resadresaka na koa angano!

Mitohy foana hatreto ny delestazy,
Na andro na alina dia misy hatrany.
Mialà re rehefa “tsy mahavita azy”
Fa efa krizy no dikan’izany!

Rehefa ny solika no miaka-bidy,
Na teo ny di-doha ary koa ny ambozizy,
Ny dikan’izay dia tsy masi-mandidy
‘Nareo ry mpitondra mpamboly krizy!

Raha toa koa ‘nareo efa misolomaso
Kanefa dia jamba tsy mahita akaiky,
Dia ampy, eny ampy izay ny andrasoandraso,
Krizy ny gasy, meteza hanaiky!

IRINA HO TAFITA (18-09-22)