EDITO 22 Septambra – Firenena Mikambana any New-York – Nandray fitenenana i ”Sans Qualité”

Ny Valosoa

Nandray fitenenana tao anivon’ny Fivoriambe faha-77 ny Firenena Mikambana tany New-York Etazonia omaly ny filoha Andry Rajoelina, izay efa nambaran’ireo mpivory tany an-toerana tamin’izany fotoana izany, tamin’ny taona 2009 nanonganany fanjakana, fa « sans qualité » (tsy misy kalitao) ity filoha Malagasy ity, noho izy mpanongam-panjakana.

Ny tantara tsy fanadino, mbola mitoetra aminy hatramin’izao izay famaritana izay, any amin’ity foiben-toeran’ny Firenena Mikambana (ONU) ity. Ny fandraisam-pitenenana ao amin’izany fivoriambe izany dia atao isan-taona any New-York amin’ny volana septambra sy oktobra toy izao, mandray fitenenana ao avokoa ny solontenan’ny firenena mpikambana rehetra, izay miisa 193 amin’izao fotoana izao, manana eo amin’ny 20 min eo avy izy ireo, ka mandray fitenenana amin’izany, na ny Filohampirenena, na ny Praiministra, na ny ministry ny raharaham-bahiny, na ny Ambasadaoron’ilay firenena ao amin’ny Firenena Mikambana. Manokatra ny fandraisam-pitenenana isan-taona i Brezila, izay no efa fandaharana hatramin’izay ka hatramin’izao, manaraka ireo firenen-dehibe toa an’i Etazonia, Frantsa, Royaume Uni, Japon, sy ny sisa,… Avy eo amin’izay ny firenena samihafa, ka ny anjaran’i Madagasikara dia omaly hariva.

Izany fandraisam-pitenenana ao amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana izany dia misy hatrany isan’andro hatramin’ny volana oktobra, any amin’ny manodidina ny andron’ny Firenena Mikambana amin’ny 24 oktobra, hamaranana koa izao fihaonambe eran-tany izao, ao amin’ity fikambanana anisan’ny lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao ity. Arak’izany, tsy voatery ho any New-York foana ny filoha amin’ny fivoriana toy izao. Raha ny fantatra izao, tsy handray anjara amin’ity fivoriana ity ny Filoha Ukrainiana Zelensky, fotoana tokony hahatongavany any anefa izao, mba hakana ny fanohanan’ny iraisam-pirenena amin’ny adiny amin’i Rosia. Izany no midika fa tsy voatery ho any Etazonia amin’ny fivoriana toy izao, fa miankina amin’ny mpitondra tsirairay ihany io.

Ny Firenena Mikambana sy ireo rantsana samy hafa ao aminy dia tsy maintsy manampy ny firenena mpikambana, noho izany ny fanohanan’izy ireo dia tsy midika ho fahatokisany, fa adidy ny azy ary ny vahoaka mahantra ao amin’ny firenena mpikambana no tena jereny. Ho antsika Malagasy, ny vahoaka Malagasy tena fadiranovana ankehitriny no tena jeren’izy ireo, fa tsy misy idiran’ny fahatokiana an-dRajoelina sy ny fitondrany ny fiaraha-miasa aminy. Mandoa latsakemboka ao amin’ity fikambanambe iraisam-pirenena ity i Madagasikara, noho izany manan-jo hahazo fanampiana avy amin’izy ireo isika.