Radio Fahazavana 25 taona – Hivantana eny Ambatonakanga ny fandaharana rehetra anio

Rajo

Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-25 taonan’ny Radio Fahazavana FM 88.6 dia ho tanterahina eny amin’ny Fjkm Tranovato Ambatonakanga anio sabotsy, ny fandaharana rehetra toy ny revorevo isa-maraina, fandaharana samihafa hahafahana miditra amin’ny téléphone mivantana.

Maro ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foibe Fjkm no ho avy hanotrona io fotoan-dehibe io ary hitondra hafatra ho an’ny mpihaino, satria Radion’ny Fjkm ny Radio Fahazavana. Misokatra amin’ny sehatra samihafa, saingy tsy voafatotry ny mpanao pôlitika kosa. Hitohy ny alahady tolakandro ny fankalazana, ka eny amin’ny Fjkm Tranovato Ambatonakanga ihany no hanatanterahana izany hanomboka amin’ny roa ora tolakandro. Maro ireo antoko mpihira no ho avy hanafana izany fotoan-dehibe izany ary anasana ny rehetra tsy ankanavaka.