FFKM – Hanao fotoambavaka lehibe anio ao amin’ny Md Misely Amparibe

Helisoa

Ho Fanarenana indray ny firenena dia hisy ny fotoam-pivavahana ho ataon’ny FFKM Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara anio sabotsy 17 Septambra ao amin’ny chapelle Saint Michel Amparibe.

Taorian’ny fandinihan-tena sy tsy fisehoana tao anaty fotoana lavalava dia ho tanterahina ny fotoam-bavaka, ho fampivondronana ny sampana rehetra ary hametrahana eo am-pelantanan’ny Tompo ny hezaka sy ny asa ho tanterahina tsy ho ela. Tanjona ny hitadiavana vahaolana amin’ny fahasahiranana samihafa hianan’ny firenena.

Ao anatin’izany dia hisy ny lohahevitra mahakasika ny resaka politika sy toe-karena ary sosialy miaraka amin’ny tsy fahandriam-pahalemana sy ny asan-dahalo izay miseho lany eto amin’ny firenena.