Fetra Ralambozafimbololona – Tetika hangalaram-bato ny fanomezana karapanondro sy kopia faobe

Helisoa

Manoloana ny fikasàn’ny fanjakàna hanome karapanondro sy kopia faobe eto amin’ny firenena dia naneho ny heviny ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara TIM tao amin’ny boriborintany faha 5 no sady filohan’ny vondrona parlemantera Fetra Ralambozafimbololona.

Fomba ahafahana manodikodina ny voka-pifidianana hoy izy ny fanomezana karapanondro sy kopia faobe. Mampiahiahy ny fanaovana izany, izay toa atao tefy maika alohan’ny hanaovana ny fanovàna hifotony ny lisim-pifidianana. Eto hoy ny depiote Fetra Ralambozafimbololona dia hisaorana ny fijoroan’ny SMM sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara amin’ny maha mpahay lalàna azy ireo izay nilazàny fa misy fiomanana ara-teknika sy fiaraha-miasa ary fanentanana ny mahakasika ny fanaovana kopia faobe fa tsy ataotao foana. Tsapa fa efa tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny rantsana mpiandraikitra ny fifidianana raha ny nambarany.

Matoa ihany koa nanao fanambarana ny “Administration civile” sy ny SMM dia manahy izany izy ireo ny hisian’ny halatra amin’ny fifidianana 2023, ahiahy izay hita fa tena mitombina hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.