Raharaha Ikongo – Mila olona tsy momba ny atsy na ny aroa ny fanaovana ny famotorana

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra mihitsy ny fanehoan-kevitra, momba ny fitifirana nataon’ireo niaro ny tobin’ny zandary tany Ikongo, efa ho telo herinandro lasa izay. Nidina tany ny minisitry ny fiarovam-pirenena nandamina ny raharaha ary nitondra fanampiana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Nidina tany ihany koa ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Ikongo ka nanao fafy rà mba tsy hiverenan’ny fandatsahan-drà intsony. Nisy anefa ireo naratra kanefa tsy sahy namonjy hopitaly, fa niafina tany anaty ala ka efa herinandro taty aoriana vao hita ny fatiny.

Nitaky ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny herivelona rehetra. Voalohany amin’ireo ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana sy ny hafa ihany koa. Niaraha-nahita ny fanehoan-kevitry ny mponina vitsivitsy anisan’ny nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary, fa rehefa naheno ny feom-basy ireo vahoaka dia nitsoaka na dia tsy mbola tonga teny amin’ny faritra mena aza. Saika avy ao an-damosina avokoa no voan’ny bala. Ny herinandro lasa teo dia namoaka fanambarana ny filankevitry ny minisitra nanala ny lehiben’ny distrika sy ny talen’ny filaminam-bahoaka tany Vatovavy sy Fitovinany. Heverina fa tsy tomponandraikitra nanome fampitandremana ny vahoaka tany Ikongo izy ireo, ka nanome baiko tamin’ny fitifirana, ka inona no anton’ny nanesorana azy ireo teo amin’ny toerany?

Ny alakamisy lasa teo dia nampiantso mpanao gazety ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Raha ny zavatra nambarany dia nisy tokoa ny tomponandraikitra ary tsy ny zandary irery no nitifitra, fa ny mpiandry ny fonja sy ny polisy koa. Efa nisy olona efa ho dimampolo ihany koa efa natao famotorana, ka ny fanontaniana mipetraka dia iza ireo olona ireo ary iza no nanao ny famotorana? Raha ny zandary no nanao izany dia heverina fa tsy maintsy misy tahotra teo amin’izy ireo, koa raha ny marina dia tokony ho olona na vondron’olona avy amin’ny fiarahamonim-pirenena tsy miandany ary azo itokisana no nanao ny famotorana. Ny manahirana amin’ity raharaha ity ihany koa dia ny nandaozan’ireo manampahefana rehetra na sivily na miaramila an’Ikongo taorian’ny fitifirana. Toa mahafantatra mantsy ireo manampahefana ireo, fa tsy mifandray loatra amin’ny mponina matoa vao nafanafana ny raharaha dia nitsoaka avokoa izy rehetra.

Nanakiana ny depiote voafidy tao Ikongo ihany koa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, satria tsy nanatri-maso ny tranga, hono, ka tsy tokony ho nanameloka be fahatany. Mety ho marina izany kanefa na izy koa aza tsy vavolombelona nahita maso izay nitranga, fa matoky ny voalazan’izay heveriny ho azony itokisana. Nisy koa hono ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso kanefa toa tsy nisy tamin’ireo mponina nilaza izany. Koa tsy misy afaka mitompo teny fantatra fa manana ny marina, satria tsy afaka milaza ny sekreteram-panjakana misahana ny zandary no miteny dia izay no tsy maintsy marina. Toy izany koa ny depiote sy ny olona nijoro vavolombelona. Izany indrindra no mahatsara ny fisian’ny olona tsy momba ny atsy, tsy momba ny aroa (neutre) hanao ny famotorana satria ny somlombavamabahoaka tsy maintsy miaro ny vahoaka ary ny zandary tsy maintsy miaro ny olona eo ambany fifehezany.

Tsy vao izao no nisy nibirioka (bavure) nataon’ny “mpitandro ny filaminana”, ka tsy ny fiarovana ny eo ambany fifehezana (corporatisme) no hampiverina ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana, na ny mpitandro ny filaminana, fa ny fanaporofoina fa nanao ny asany ara-dalàna sy mifanaraka amin’ny fifampifehezana ny hetsika atao. Tokony hanana fanetren-tena rehefa miresaka amin’ny vahoaka, fa izay manetry tena no hasandratra ary heverina fa io no fomba tsara indrindra entina mandresy lahatra.