EDITO 17 Septambra – Aoka tsy afenina amin’ny vahoaka ny marina

Sôh’son

Amin’ny fitantanana ity firenena ity ao anatin’izao fitondrana izao, dia tsikaritra mazava tsara ny fanamboamboarana ny teny nampanantenaina am-pahibemaso tany aloha nanoloana ny vahoaka maro amin’ny filazana azy aty aoriana kely. Miendrika fanakonakonana mihitsy aza izany indraindray raha ny fahitana azy. Anisan’izany ny fahenoina ny fanazavana nataon’ny SEG ny alakamisy lasa teo momba ny raharahan’Ikongo.

Raha tsy handray afa-tsy ny amin’ny tifitra nataon’ny zandary ireo vahoaka, dia misy teny nambaran’i Andry Rajoelina tany aloha tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny mifandraika amin’izany. Nambarany tamin’izay, aoka tsy hohadinoina ny tantara, sa ny SEG tsy mba naharaka izany na taiza izy tamin’izany? Nazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, hoe: « tsy ekena intsony eto amin’ny firenena ny mbola hisiana Malagasy mandatsaka rà Malagasy ». Fanakianana ny zava-nitranga teny Ambohitsorohitra mantsy no nifandraika ny tiany ambara tamin’izay. Tsy ekeny intsony ny hisiana mpitandro filaminana na tomponandraiki-panjakana mandatsaka ràn’ny Mpiray tanindrazana, raha atao mahitsy kokoa ny filazana izay tiany nambara tamin’izay. N’inona n’inona anefa fanazavana sy fandehan’ny raharaha tamin’ny tany Ikongo, dia mbola niseho ilay toe-javatra. Ny re nambaran-dRajoelina tao anatin’izay dia hoe sokafana haingana ny fanadihadiana, fa tsy re intsony ilay teny nambarany tany aloha amin’ny tsy fanekena intsony ny fitrangana toe-javatra toy izany. Ny teny nambara tany aloha tsy tsaroana intsony ve? Mampieritreritra lalina izany.

Ankoatra izay, noresahana sy niadian-kevitra kely ihany koa ny amin’ny resaka demôkrasia. Aoka ihany koa tsy amboamboarina ny filazana fa tena misy demôkrasia eto amin’ny firenena ity. Tsy ampy ilazana izany ny fisian’ny hoe fanehoan-kevitra any amin’ny haino vaky jery. Ny fototry ny demôkrasia dia ny fanehoan’ny vahoaka tsy an-kanavaka an-kahalalahana ny heviny momba ny fitantanam-pirenena sy ny fiainany andavanandro. Tsy tokony ho adinoina velively, ary hipetraka ho tantara koa ireny, dia ny tsy nahafahan’ny fikambanan’ny mpanjifa sy ny vahoaka mpanjifa nidina an-dalambe haneho fa sempotra izy noho ny fidangan’ny vidim-piainana, ary tsy efa tsy zakan’izy ireo intsony. Tsy nisy resaka politika izany, kanefa dia noraràna, nampidinana mpitandro filaminana izy ireo ary noezahina haingana izay nanaparitahana ny vahoaka. Santionany iray lehibe niharihary iny tranga iny maneho mazava fa tsy misy demôkrasia eto.

An’ny vahoaka ny fahefana, fa tsy an’ny mpitondra, fa ireo nampindramina ihany. Raha tsy afaka maneho izay fahefany izay ilay vahoaka dia tsotra sy mazava, tsy misy ny demôkrasia, na ndeha atao hoe mihemotra. Ny solontenan’ilay vahoaka, izay nofidiany ary napetrany eny Tsimbazaza, dia miharihary fa tsy mitondra ny feony ny ankamaroany fa mitondra ny tenin’ny fitondrana sy ny an’ny antokony ary ny filohan’ny Repoblika tohanany. Izany rehetra izany, dia midika fa tsy mandeha amin’izay laoniny sy ny hitsiny ny zotra itondràna ny firenena. Mazava loatra, fa ireny dia misy akony eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro dia izao iaraha-mahita izao ny fikorosy fahan’ny sehatra maro samihafa izay mampitambotsitra ny firenena ho lasa rambony manerantany amin’izao fotoana izao.