RATELOAMBINIFOLO SY NY TARINY

Mihevitra ho tsy mety diso ny ao anaty fitondrana,
Toa mihoerahoera hatrany sy manampatra hadalana.
Hatramin’ny lohany mihitsy no efa hita ho matsatso,
Ka ny lamasinim-poza, tsy ho ela dia hikatso.

Tsy mivonona ho modely mendrika ny halaina tahaka,
Ka ny ondry izay andrasany efa maro no mihahaka.
Ny mitokana ny tsy azy sy manoratra ny anarany
Amin’iretsy zava-bita, izay no tena hasambarany.

Ny rehetra izay ataony, lasa mahamahina azy,
Ka voatana ilay zalahy izay naka sary ny bagazy.
Nitatra ny fiampangana, niova ho fifofoana ny aina.
(Moa ve tena mba mitombina fa dia mahalasa saina!)

Fahantran’ireo vahoaka, toa tsy asiany fiheverana,
Ny laharam-pahamehany dia ny hanamafy toerana.
Miharihary ilay toe-tsaina tsy mba mahalala onony.
(Izay mba mamy, tsisy miangana fa laniany hatramin’ny fonony!)

Iretsy mpiaraka misaosy, mody tsy miteniteny.
(Mety izay no baiko midina avy tamin’ny lehibeny!)
Ka ho gaga va ianao raha volamena anaty vata
No indro heno fa nanjavona nefa tsisy hoe nibata!

Ireo akama dia indreny fa manondrana andramena,
Sy mamoaka antsokosoko vatosoa sy volamena.
Tsy mba misy hoe nigadra na mba hoe voakitikitika,
Fa ny hany mba voatana dia ny kely sy ny bitika!

… Dia mitohy hatrany hatrany ny hagegena sy hadalana,
Ka vao mainka i Gasikara difotry ny fahantrana.
Mbà mandinika, misaina re Rateloambinifolo,
F’efa miaina anaty haizina ny vahoaka manontolo!

Efa izao no hoe krizy tsy azo afenina intsony,
N’inona n’inona lazain’ny serasera avy any ambony.
Fanodinan-tsaina sisa no ezahiny haparitaka,
Ka ny lainga no mibahana, nolaroina fitapitaka!

DADAN’i RIANA (09-09-22)