Sendikan’ ny administera sivily SYNAD – Takianay ny fitondràna ny firenena araka ny tokony ho izy

Helisoa

Manoloana ny tsy rariny atao amin’ireo administratera sivily manao ny asany dia nisy ny fanambaràna nivoaka nataon’ny Syndicat des Administrateurs Civils de Madagascar (SYNAD ) omaly 14 septambra:

“Melohinay marindrano ny fanasaziana ny namanay izay tsy nanao hadisoana amin’ny alalan’ny fanesorana azy ireo amin’ny toerany, toy ny nahazo ny Lehiben’ny Distrikan’ Ikongo sy ny maro tsy voatanisa. Tsipahinay marindrano ny mbola fanaovana tsinontsinona anay eo amin’ny sehatry ny asa. Toherinay ny tsindry isan-karazany eo am-panatanterahana ny adidy aman’andraikitra sahaninay. Izahay dia tsy miaro ny namanay manao hadisoana sy fandikana lalàna, fa kosa hanao fanadihadiana mba tsy hisian’ny fanendrikendrehana be fahatany.

Mbola manohy ny fitakiana am-pilaminana sy am-pahendrena ireo zavatra hanamora ny fanatanterahana ny asa sy ny adidy ary ny andraikitray izahay hatreto. Mpiasam-bahoaka ny Administrateurs Civils, ary tandra vadi-koditra aminy ny fanatanterahana ny asam-panjakana. Tsy izahay Administrateurs Civils no hanao takalon’aina ny Firenena Malagasy izay miatrika olana anatiny sy iraisam-pirenena izao.

Takianay ny fitondrana ny Firenena amin’ny lalana tokony ho izy. Mijoro izahay manitsy sy hanitsy izay tsy mety, tohananay ny zavatra mety sy mifanaraka amin’ny lalàna velona eto aminy tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Maneho fahavononana foana izahay hiasa sy hanompo ny Tanindrazana satria izany no andrasan’ny vahoaka aminay, fa ao anatin’ny fifanajana, fifankatiavana, fifampitsinjovana, firaisan-kina fa indrindra ny fanajana ny didy aman-dalàna manankery. Manome toky ny vahoaka Malagasy izay mpampiasa anay izahay fa tsy ho avy aminay Administrateurs Civils ny fanafitohinana. Masina ny Tanindrazana!” Paolo Emilio Ratolinarivo Solonavalona