Deputé Rastany – Nanolotra jiro hanazava ny tanana tao amin’ny fokontany Volosarika

Helisoa

Na tsy andraikitry ny solombavambahoaka aza ny manamboatra fotodrafitr’asa dia tsy nipetra-potsiny ny depiote Randrianarisoa Stanislas Rastany fa nijery ny maharary ny mponina ao amin’ny boriborintany faha 2 izay naha lany azy ho depiote Tiako i Madagasikara. Ankehitriny, mirongatra izay tsy izy hoy ny depiote Rastany ny tsy fandriampahalemana vokatry ny haizina amin’ireo lalankely ao amin’ny fokontany Volosarika izay efa nampitaraina ireo mponina. Noho izany, namaly ny antson’ny mponina sy ny fitarainany izy, ka tonga mivantana teny an-toerana nanolotra jiro entina hanazavana ny lalan-kely. Tamim-pifaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina izany satria hazàva ny tanàna ary ho afam-pahasahiranana izy ireo .

Ny depiote Rastany moa efa nanamboatra tetezana teny an-toerana ihany koa 8 volana lasa izay, hiarovana ny mponina rehefa fahavaratra noho ny fiakatry ny rano. Ray aman-dreny mahafantatra tsara ny laharam-pahamehana ity solombavam-bahoaka ity hoy ireo mponina nahazo tombontsoa teny antoerana, ka antenaina fa hampihena ny tsy fandriampahalemana izao ezaka izay tolo-tanana madiodio avy aminy izao.