Fanomezana kôpia sy karapanondro faobe – Tsy milamina, aato 15 andro aloha hoy ny SMM

Isambilo

Misy zavatra tsy milamina sy mifamahofaho ny fanomezana kôpian’ny sora-piankohonana faobe, sy ny karapanondrom-pirenena faobe amin’izao fotoana eto amintsika, noho izany dia mila aato aloha, ho fandaminana izany hoy ny SMM: Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara.

Nambaran’ny filohan’ny SMM, Mbitanarivo Andriantsihorisoa fa:” Aato aloha ny fanaovana kopia faobe sy ny karapanodrom-pirenena faobe mandritra ny 15 andro. Mila fotoana ny fanaovana ireo, fa tsy tokony hatao tefy maika. Tsy mazava ny fandaminana amin’ny fikarakarana. Mila jerena ny lafiny arak’olona sy ara-bola. Andanin’izany kosa ankilany, mitohy ny asa isan’andro fanaon’ny mpitsara sy ny fitsarana.”

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaha fitifiran’olona tany Ikongo faritra Fitovinany koa ity filohan’ny SMM ity, nambarany tamin’izany, fa tokony hitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ary tokony ho saziana izay tompon’andraikitra.